Auteur/autrice : Adnews

« Cinéma » malagasy : miha matihanina ny mpamokatra sarimihetsika

Tontosa, omaly, teny amin’ny Canal Olympia Andoha­ta­penaka, ny lanonana famoahana tamin’ny fomba ofisialy ny sa­rimihetsika « Lav’alina », no­vokarin’ny trano mpamokatra Manjaka Sary. Olo-manan-ka­ja sy matihanina eo amin’ny sa­rimihetsika no nanatrika izany lanonana izany. Ny rafi-tantarany sy ny kalitao teknikany no mampiavaka ity sarimihetsika ity ka nahavoafidy azy ho anisan’ny sarimihetsika nandeha […]

« Evasion danse II » : taninketsan’ny dihy i Madagasikara

Hifarana ny « Festival in­ternational de danse de création » nampitondraina ny anarana « Evasion danse » andiany faharoa. Tao anatin’ny herinandro, na ireo mpikarakara na ireo nandray anjara, indrindra fa ny mpanatrika, samy nilaza ny halehibeazan’ny hetsika tahaka itony. Tsika­ritry ny rehetra fa « taninketsan’ny dihy i Madagasika­ra ». Manana mpandihy tanora itoeran’ny talenta ny Ma­la­gasy. Mpandihy […]

Feno 5 taona ny fandaharana : manabe sady mampihomehy ny “Eo ara oe”

Sady manala sorisory no handraisana hafatra. Anisan’ireo fandaharana be mpiandry isan’andro ny “Eo ara hoe”. Mifono fanabeazana. Feno 5 taona amin’ity taona ity ny nisian’ny fandaharana “Eo ara oe”, ao amin’ny fahitalavitra TV Plus. Ni­haona tamin’ny mpanao gazety ireo tomponandraikitra sy mpilalao, omaly, tetsy Andra­haro. Nampahafanta­rin’ izy ireo nandritra izany fa ho­ma­rihina izay […]

Fambolena holatra any an-trano: manome lanja ny fanajana ny tontolo iainana

Maniry any anaty ala ny holatra amin’ny ankapobeny. Manom­bo­ka mahazo vahana, ankehitriny, ny fambolena azy ireny any an-tra­no sy anaty toerana mihiboka. Mba hialana amin’ ireo karazana ho­latra tsy azo ha­nina sy mahafaty. Vanim-potoana hitsirian’ ny holatra (champignon) any anaty ala ny mangatsiaka sy misy erika, anisan’ izany eto Madagasikara. […]

FANTINA sy FINTINA

Nihazo ny tany Marovoay ny mpanorina ny Tim, Ravalomanana Marc, omaly. Nambarany tamin’izany fa ny any an-toerana no nanazavany voalohany ny vinany, amin’ny alalan’ny Map Plus. “Anisan’ny sompitr’i Madagasikara ny aty Marovoay ka asa maika voalohany ny vahaolana momba ny sakafo”, hoy izy tamin’ireo vahoaka any an-toerana. Niatrika ny fanombohan’ny […]