Niditra antsokosoko tao an-tranon’olona, tao amin’ ny fokontany Ampitatsimo, kaominina Mandritsara, ny lehilahy iray, omaly tamin’ ny 10 ora maraina. Tratra teo am-pangalarana anefa izy. Nokasainy hamidy ny ordinatera sy ny vatoaratra tao anatin’io trano nidirana mangingina io. Taitra tampoka anefa ny ramatoa iray tompon-trano izay avy niantsena raha nahita […]
Auteur/autrice : Adnews
Tsiroanomandidy : zaza 11 volana niharan’ny fanolanana
Zazavavy vao 11 volana niharan’ny fanolanana nataona lehilahy iray mpanampy an-trano tao Androtravo Antambao, kaominina ambanivohitra Ambatolampy, ny alakamisy teo. Mpampianatra ao amin’io toerana io ny renin’ilay zaza. Tamin’ny fotoana namorian’ ilay ramatoa reniny ny vary karamany tany amin’ny ray aman-drenin’ny mpianatra no nanararaotan’ilay mpanampy ilay zaza. Rehefa niverina, tsy […]
Isotry : tratra ny jiolahy nifanenjehan’ny polisy
Tsy mety fay mihitsy! Tratran’ny polisy miasa ao amin’ny kaomisaria boriborintany fahefatra (CSP4), teny Anatihazo Isotry, omaly, ny ny jiolahy iray malaza ratsy amin’ny sinto-mahery. Maro ny fitarainana voarain’ny polisy amin’ny hafitsok’ireo jiolahy amin’iny faritr’Isotry iny. Nametraka paikady ny polisy, amin’ny alalan’ny fanaraha-maso teny amin’ny manodidina an’Anatihazo Isotry. Teo no […]
Ankizy maditra ao Toamasina…: roa lahy voaheloka higadra telo volana ao Ambalatavoahangy
Niakatra fitsarana ambaratonga voalohany ao Toamasina, ny 16 mey 2023 lasa teo, ny raharaha anenjehana ireo zaza maditra 20 mianadahy nanao herisetra sy hetraketraka ao an-drenivohitry ny faritra Atsinanana. Voaheloka an-tranomaizina telo volana ny roa… Nivoaka ny didim-pitsarana ny 22 mey teo ka afaka noho ny fisalasalana ny 18 mianadahy […]
Rotary Mahamasina : mila tohanana ny kilasy Asama
Ankizy (11-15 taona) niala an-daharana tany an-dakilasy 210 isan-taona no ampianarin’ny mpampianatra voaofana amin’ny fandaharam-pianarana manokana anatin’ny kilasy Asa avotra sekoly malagasy (Asama). “Tanjona, miatrika fanadinana CEPE sy 6ème izy ireo aorian’ny herintaona faharetan’ny fampianarana, vatsian’ny fikambanana Rotary Club Mahamasina vola, tao anatin’ny 20 taona”, hoy ny filohany, Rajaonson David, […]




