Auteur/autrice : Adnews

Tapitra ny tetikasa VectorLink: olona 6 tapitrisa mahery voaaro amin’ny tazomoka

Nampahafantarina omaly, tetsy Ankorondrano, ny fiafaran’ny tetikasa “VectorLink”, izay niompana betsaka ta­min’ny ady amin’ny tazomoka teto Madagasikara. Na­nom­boka ny taona 2018 ny tetikasa ary nitentina 12 tapitrisa dolara ny vola niasana, izay novatsian’ny Vinan’ny filoha amerikanina ho an’ny ady amin’ny tazomoka (PMI) ary tantanan’ny USAID. Malagasy miisa 1,4 tapitrisa no […]

Fanentanana fanjarian-tsakafo : nifaninana ny samy mpianatra

Nikarakara fifaninanana fanentanana hafatra iadiana amin’ny tsy fanjarian-tsakafo ho an’ny sekoly tao anatin’ny faritra Analamanga ary anisany ny kaominina Fenoarivo ny Foibem-pirenena momba ny fanjarian-tsakafo (ONN) sy ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena sy ny sehatra tsy miankina ary ny fikambanana samihafa. “Fampitan-kafatra faobe ho an’ny fanjarian-tsakafo no tanjona ary natao amin’ny fifaninanana […]

Seba sy MadCap Isotry : ankizy 300 nisitraka tohana avy amin’i Chine

Tafiditra ao anatin’ny tan-tsoroka ho an’ireo firenena afrikanina miara-miasa amin’i Chine ireo fitaovana natolotra ho an’ny ankizy, avy amin’ny vadin’ny filoham-pirenena sinoa. Notoloran’ny masoivoho sinoa fitaovana isan-karazany ireo an­kizy 300, zanaky ny sahirana etsy amin’ny Seba sy MadCap Isotry, omaly. Nahitana vary, menaka, kidoro, savony, kilalao, fitaovam-pianarana, akanjo, kiraro, tohana […]

Masse – Rohy : «Manatsara ny fitantanana ny tomban’ezaka»

Nanao atrikasa tetsy Ambatonakanga, ny Ma­lagasy Association for evaluation (Masse) sy ny Rohy, omaly. Nanatrika izany ireo firaisamonim-pirenena ary ireo mpisehatra hafa. Tan­jona ny hanamafisana ny votoatim-politikam-pirenena momba ny tomban’ezaka. Amin’ny alalan’ny fampidirana ny fomba fijery sy fandraisan’andraikitry ny fiarahamonim-pirenena rehetra hampandrosoana ny firenena. «Hanatsarana ny fomba fitantanan’ny mpitondra ny […]

Filoha teo aloha, Rajaonarimampianina : “Ampy izay ny fahasahiranan’ny firenena…”

Nitondra famelabelaran-kevitra ho an’ny fikambanana Zanak’Atsimondrano ny filoha teo aloha, Rajaonari­mampianina Hery, ny herinandro teo. Lohahevitra nifampizarana ny vina sy ny hevitry ny “Fampivoarana ny maha olona sy ny toe-tsaina, mampisandratra”. Nambarany fa ilaina ny toe-tsaina tena hampisandratra ary tokony ho raiki-tapisaka ao amin’ny tsirairay, sy hanomboka any amin’ny mpitondra […]