Teratany italianina mpaka sary, saingy latsa-pitia hatramin’ny fahakely an’i Madagasikara i Christian Sanna. Anisan’ny nanitikitika azy ny mikasika ny “fady kambana”, any amin’ny faritra iray eto Madagasikara. Tetikasa efa tamin’ny 2013 ny ity teraka ity, satria niezaka nanangona ny sarin’ireo kambana i Christian Sanna, nampian’ny fikambanana Tsy manary zaza ary […]
Auteur/autrice : Adnews
Fidy sy Liva, Boboh Mahavanona… : raikitra ny «Cabaret Country»
Hahazo vahana indray ny tontolon’ny «country» amin’ ny faran’ity herinandro ity. Mpanakanto manana traikefa matanjaka amin’izany no hiray sehatra, etsy amin’ny Le Zoma Antaninandro, rahampitso, manomboka amin’ny 7 ora sy sasany hariva. «Cabaret country», hiarahana amin’i Boboh Mahavanona, Fidy sy Liva (tarika Tsiakoraka), Anna, Haja Country. Nasaina manokana i Parson […]
Volan’ny teny malagasy : mila omena sehatra ny mpikaroka
Isaky ny volana jona, voatsiahy hatrany ny hasin’ny teny malagasy. Maro ny hetsika ho fanamarihana na fankalazana ny volana ho an’ny teny malagasy. hatramin’izao anefa, tsy mbola hita mivaingana loatra ny vokatr’ireny. Antony iray mahatonga izany ny tsy fahazoan’ny mpikaroka sehatra lehibe ahafahany mivelatra. Saika mijanona hatreo amin’ny famoahana boky […]
Tonton Pa, Rouj, Rampal, Feno : hiray sehatra ny Zoky sy ny Zandry
«Vazon’ny tanàna – Fiarahan’ny Zoky sy Zandry»… Samy manana ny tarika misy azy izy ireo ! Rampal sy i Tonton Pa ao anatin’ny tarika Rebika. I Rouj tarika Marovazo ary i Feno ao amin’ny tarika Lay. Izy ireo no hanafana ny alin’ny zoma 2 jona izao, manomboka amin’ny 7 ora sy […]
Avy nihodina tany Eoropa…: hisehatra eto i Erick Manana sy ry Ralah’Trio
Tsanta, Ranto ary Titan no mandrafitra ny Ralah’Trio. Tanora mpanakanto mampiaiky an’i Erick Manana ny talentany, ka nahateraka ny tetikasa. Tsy ho ela ny rakikira, ny seho aloha efa raikitra! Maro ny tarika sy ny karazana fiarahana natsangan’i Erick Manana izay. Somary niavaka kokoa tamin’ireo efa nisy kosa ity fiarahany […]




