Auteur/autrice : Adnews

Politika sy tsimatimanota

Sadaikatra ihany ny hiresaka an’ireto manam-pahefana eto amin’ny tany sy ny fanjakana ireto. Maro amin’izy ireny no mihevi-tena ho ambonin’ny lalàna sy efa zanaharikely latsaka fahefany, hoy ny fiteny mahazatra, eny an-tsisin-dalana. Misy mihitsy no mahavita mamorona lalàna araka izay maha meti­mety azy. Tsy lazaina intsony ny manao izay danin’ny […]

Depiote – Kolonely Martin: « Niaro tena ny vahoaka »

Manameloka ny fisamborana faobe nataon’ny mpitandro filaminana ny depiote, voafidy tao Vohibato, ny kolonely Martin. Nambarany fa niaro tena ny vahoaka fa tsy namono olona fahatany. “Tsy mpanao aferam-batosoa fa mpanakan-dalana mpiantsena ireo olona matin’ ny fokonolona tao Tatan­dratsy, fokontany La­lazana Ambony, kaominina Soa­hindrana, distrikan’i Vohi­bato, ny sabotsy alina hifoha […]

Ankazobe : mpangalatra moto efatra voasambotra

Noraisim-potsiny tamin’ny alalan’ny tagnamaron’ny fandriam-pahalemana ny mpangalatra moto efa-dahy tao Ankazobe, afakomaly. Nifampitadiavan’ny tompony ny moto roa lehibe izay nalain’ny jiolahy. Nanao ny fikarohana taorian’ny fitarainan’ny tompony avy hatrany ireo mpitandro filaminana. Tamin’ny alalan’ny tsara sitrapo, fantatra fa ao amin’ny kaominina ambanivohitra Marondry no nahitana ilay moto iray. Nidina nijery […]

Ankazobe : mpiray petsapetsa amin’ny dahalo nigadra

Ramatoa roa niray tsikombakomba tamin’ny jiolahy ni­doboka am-ponja ao Anka­zobe, afakomaly. Anatin’ny fanohizana ny famongorana ireo jiolahy tompon’antoka tamin’ny doro trano nahafatesana olona tao Ambohitri­nian­driana, fokontany Anosikely, kaominina Ambolotarakely, distrika Ankazobe, ny zandary. Voasambotra ny faran’ny herinandro teo ny vehivavy roa voalaza ho mpiray tsikombakomba tamin’ireo olon-dratsy nahavanon-doza. Tsy vitan’ny […]

Andranomanalina : jiolahy tratra niaraka tamin’ny sabatra

Voasambotry ny polisy avy ao amin’ny PPA Ampe­filoha teny Andranomanalina, omaly, ny jiolahy raindahiny amin’ny fanendahana. Hita teny aminy koa ny sabatra lavalela iray fampiasany rehefa manao ny asa ratsiny. Nisy ny fitarainana voarain’ny polisy momba ny fanendahana miseholany amin’iny faritr’Isotry sy Ampefiloha iny. Manoloana izany, nanamafy ny fisafoana fanaony […]