Tontosaina eny amin’ny Zone Zital Ankorondrano, ny hetsika « Antson’ny tontolo miaina ». Efa nisokatra ny 20 mey 2023 ny hetsika ary tsy hifarana raha tsy amin’ny 5 jona 2023. Fampirantiana haikanto maneho ny fahasimbana sy ny olan’ny tontolo iainana no hita ao anatin’izany hetsika izany. Haikanto samihafa, avy amina mpahay kanto […]
Auteur/autrice : Adnews
Endrika ivelany sisa : tsy ho ela ny « Fetin’ny Reny »
4 jona, andro tondroin’ny fanisanandro gregoriana fa hanamarihana ny « Fetin’ny Reny » amin’ity taona 2023 ity. Tolorana fanomezana ny reny. Hanehoana fitiavana lehibe sy miavaka raha hampitahaina amin’ny fahita sy iainana andavanandro i Neny, rehefa mandalo io fotoana io. Nivelatra fa tsy nijanona tamin’ireo vehivavy niteraka (nahitana masoandro) ihany koa ny […]
“Tosik’Art”: nisitraka Ivontoeram-pikotrehana orinasa ara-kolontsaina i Bongolava
Mahavelona ary azo hananganana orinasa maro ny sehatry ny zavakanto sy ny kolontsaina. Mila fiofanana kosa ireo hisehatra ao anatin’izany, ka izay no antom-pisian’ireo ivontoeram-pikotrehana orinasa ara-kolontsaina. Efa tafapetraka ny tany Toamasina, Ihosy ary teto Antananarivo. Notokanana, omaly, kosa ny ivontoeram-pikotrehana orinasa ara-kolontsaina na ny “centre d’incubation” fahefatra, any Tsiroanomandidy, […]
Loholona Tsiebo Mahaleo : “Tsy azo ekena ny Tetezamita”
“Aminay, filam-boatsihary ny filazana hoe tokony hanaovana fitondrana Tetezamita izany satria, hono, misy krizy. Tokony hanao fitondrana Tetezamita avokoa izany ny firenena maneran-tany, satria mandalo krizy sosialy sy toekarena. Tsy any ny resaka.” Io ny fanehoan-kevitry ny loholona Tsiebo Mahaleo Richard. Samy niaina ny fiainam-pirenena teto isika hatramin’ izay. Izany […]
Lisitry ny mpifidy : mbola hisy fitsirihana farany
“Aorian’ny 31 mey, hamoaka ny rejisitra izay azo lazaina hoe lisitra farany ny Ceni”, hoy ny fanazavan’ny mpampakateny, Andriamarotafika Soava, teny Alarobia, omaly, momba ny famaranana ny fisoratana anarana amin’ny lisitry ny mpifidy. Nefa ireo nisoratra anarana taorian’ny 9 marsa, namaranana ny fandraketana amin’ny ordinatera nahazoana namoaka ny lisitra vonjimaika: […]




