Auteur/autrice : Adnews

Minisitry ny Fitsarana : “Aoka halavirina ny kolikoly”

Nohamafisin’ny minisitry ny Fitsarana, Randriamanan­te­nasoa Landy Mbolatiana ny antso avo efa nataony ho an’ireo mpitsara. “Tsy maintsy halavirintsika ny kolikoly, ary aoka samy hanatanteraka izany”, hoy izy tany Ma­ro­antsetra, ny herinandro teo. Anisan’ireo niatrika ny lanonam-pitsarana manetriketrika, nametrahana ny filohan’ny fi­tsarana any an-toerana, i Mae­vazaka Josie Thérencia, ny tenany. Notsiahiviny […]

Fihaonana tamin’ny filohan’ny Antenimiera: nitaky fanatsarana lalàm-pifidianana ireo fiarahamonina sivily

Tonga teny Tsimbazaza, omaly, ny solontenan’ireo fiarahamonim-pirenena maromaro, nihaona amin’ireo depiote. Nitondra ny heviny manoloana ny filohan’ny Antenimierampirenena ho amin’ny fanatsarana ny lalàm-pifidianana izy ireo. Anisan’izany ny momba ny fampielezan-kevitra mialoha ny fotoana sy ny hanalavana ny fe-potoanan’ny propagandy. Eo koa ny hamerana ny famatsiam-bola amin’ny fampielezan-kevitra. “Nomenay sy nalefa […]

Razanamahasoa Christine : “Fantatro saingy tsy holazaiko ny nandroba tao an-tranoko”

Nitondra fanazavana fohy, manoloana ny fandrobana ny tranony, ny alin’ny sabotsy teo, ny filohan’ny Anteni­mi­e­rampirenena, Razanamahasoa Christine, omaly. Mazava ny nambarany. “Mahafantatra ny nahavita izany aho ary tsy ahiahy intsony. Tsy holazaiko anefa izany na tena fantatro aza. Ijoroako ny fanahy mibitsika ato amiko amin’ny fahamarinana”, hoy izy. Nan­te­riny fa […]

Fampandrosoana mifameno fa tsy mifamono

Efa nasian-teny teto… Tsy mampaninona ny mamerin-teny, tsy mandreraka, tsy mankaleo. Mamerina indroa, manana ny antitra. Tsy inona fa ny amin’ny hoe ho an’ny olona rehetra sy ny olona manontolo ny fampandrosoana. Raha tsy izany, mandringa ihany. Mby amin’ny hoe mankany, mankany… Mankaiza? Mankaiza tokoa izao ny hoe fampandrosoana miainga […]

Hasarotam-piaro… : polisy nanindrona antsy ny rafilahiny

Ny an’ny miaramila mbola tsy vita ny fanadihadiana, manao ny ataony koa ny polisy! Nivoraka mihitsy ny tsinain’ilay rafilahiny vokatry ny tsatok’antsy nataona polisy iray, tao Maroantsetra… Olombelona ihany sa tsy ampy fanadihadiana ara-moraly mialoha ? Naratra mafy ny raim-pianakaviana iray vokatry ny tsatok’antsy nataona polisy iray azy teo amin’ny […]