“Araka ny lalàmpanorenana sy ny And 51 momba ny fifidianana sy ny fitsapankevi-bahoaka, manana 90 andro alohan’ny fifidianana farafahakeliny ny governemanta haka didim-panjakana manaika ny mpifidy”, hoy ny mpahay lalàna, i Fanahimanana Tiaray, teny Antaninarenina, omaly. Voalaza amin’izany koa fa miankina amin’ny vinavina natolotry ny Ceni ny datim-pifidianana hatao amin’ […]
Auteur/autrice : Adnews
Andriamanana Nivoarivony: “Ilaina ny olom-pirenena tomponandraikitra tsy ho voarebireby sy asavorovoron’ny politika”
Mby aiza ny fiatrehana ny fanomanana fifidianana amin’izao? Maneho ny fijeriny ny sekretera jeneralin’ny fikambanana Action sociale pour développer (ASD), Andriamanana Nivoarivony: “Mila miova ny toe-tsaina, mila manana finiavana sy sahy mijoro ary miatrika… Izay no mpisehatra olom-pirenena tomponandraikitra mba tsy ho voarebireby sy asavovoron’ny politika.” Dinidinika… Gazety Taratra (*): […]
Atrikasa fanoratana : nizara ny fahaizany Ralantoaritsimba Nirina
Tontosa nandritra ny alarobia 26 avrily 2023 ny atrikasa ho an’ny famoronana sy fanoratana, teny amin’ny Tranombokim-pirenena, nokarakarain’ny Academie Nationale des Arts et de la Culture, ANAC. Ralantoaritsimba Nirina no nampianatra sy nizara ny fahaiza-manaony, nandritra izany atrikasa izany. Mpanoratra sy mpisehatra eo amin’ny literatiora maro samihafa no tonga niatrika […]
« International Jazz Day » 2023 : hanentana ho an’ny tontolo iainana ireo mpiangaly mozika
Mozika tsisy fefy, mozika tsisy fetra… Faheno matetika izay, indrindra rehefa miresaka ny mozika jazz. Marihina isaky ny 30 avrily isan-taona ny Andro maneran-tany ho an’ny mozika jazz. Nanamarika izany nandritra ny taona maromaro ihany koa ireo mpanakanto sy mpankafy mozika eto Madagasikara. Ho an’ity taona ity, hiara-dalana ny mozika […]
Asa fanasoavana : hizara kanto ny Bandy Baraka Big Band
Fampiarahan-talenta mahaliana hatrany ! Ireo izay nahita na an-dalambe na anaty efitrano, dia samy niaiky ny fahaizan’ireo mpanakanto mivondrona ao anatin’ny Bandy Baraka Big Band. Mpanakanto mpiangaly karazan-javamaneno tsofina maromaro, ankoatra ireo zavamaneno mahazatra ireto navondron’i Seta Ramaroson anatin’ny Bandy Baraka Big Band ireto. Hisy mantsy ny seho izay hotontosain’izy ireo, […]




