Auteur/autrice : Adnews

Mpinamana niady teny Manjakaray : Lehilahy iray maty notrobarana vy

Maty tsy tra-drano ny raim-pianakaviana iray, tetsy Manjakaray, ny alahady lasa teo. Niady tamin’ny namany izy. Notrobaran’ity farany zava-maranitra teo amin’ny orony ka nahazo ny faritry ny lohany. Nitrangana vonoan’olona mahatsiravina tetsy amin’ny fokontany Manjaka­ray II D, boriborintany fahadimy, ny alin’ny sabotsy hifoha ny alahady 15 marsa lasa teo. Niharan’ny […]

XXL Smatchin Ao Tsara : Nafana ny fanokafana ny andiany faha-12

Nisokatra ofisialy, ny sa­bo­tsy teo, teny amin’ny La­pan’ny fanatanjahantena Ma­hamasina, ny andiany faha-12 amin’ny « XXL Smatchin Ao Tsara ». Fifaninanana basikety ho an’ny sekoly ambony. Feno hipoka ny teny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina nandritra ny lanonana fanokafana ity fifaninanana ankafizin’ny maro ity. Tsy misaraka amin’ny fampisehoana sy fanentanana rahateo moa ny […]

SOMBIM-BAOVAO

Namoaka vaovao ny pejy tao amin’ny Fosa juniors FC, klioba avy any Boeny mifaninana amin’ny PFL, fa tsy hisy lalao amin’ny fiadiana ny amboaran’i Mada­gasikara sy ny PFL handeha intsony any Mahajanga. Fanapaha-kevitry ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra izany. Malahelo ihany ity klioba avy any Boeny ity, saingy tsy ho […]

Tsipy kanetibe : Hitiliana izay hiatrika ny “Tournoi” atsy Maurice

Nisongadina ny ekipan’ny C2BA Vakinankaratra nandritra ny fanokafana ny taom-pilalaovana 2026, taranja tsipy kanetibe, ho an’ny Fédération sport-boule de Madagascar (FSBM). Nifantenana izay ho ao anaty ekipam-pirenena ny fifaninanana. Tontosa soa aman-tsara teny amin’ny Kianja Soa­mandrakizay, ny alahady lasa teo, ny fifaninanana fanokafana ny taom-pilalaovana 2026, taranja tsipy kanetibe. Fihaonana […]