Naneho ny fahavononany handray anjara amin’ny fanavaozana ny rafitra ara-pahasalamana eto Madagasikara ireo mpitsabo, malagasy, nandritra ny fihaonambe nataon’izy ireo tetsy Antaninarenina, ny 13 marsa lasa teo. Tanjona ny hananganana rafitra ara-pahasalamana marina, mahomby ary manaja ny matihanina amin’ny sehatry ny fahasalamana. Mbola maro ireo olana sedrain’ny mpitsabo ankehitriny. « Sahirana […]
Auteur/autrice : Adnews
RR36 : Harenina ny lalana Mahitsy-Farahantsana
Mandeha ny asa fanarenana ny lalam-paritra RR36, mampitohy an’i Mahitsy sy i Farahantsana. Efa ela no nampikaikaika ny rehetra ity lalana ity, noho ny fahasimbana sy ny fahatereny. Nijery ifotony ny fizotry ny asa, ny zoma 13 marsa teo, ny talen’ny kabinetran’ny minisiteran’ny Asa vaventy, Ramanankavana Christian. Hita fa efa […]
Fanamarihana ny 29 marsa: Nasehon’ny komity ny sary famantarana
Nampahafantarina omaly, teny amin’ny minisiteran’ny Foloalindahy Ampahibe, ny sary famantarana sy ny teny filamatra amin’izao faha-79 taona ny fahatsiarovana ny tolom-panafahana nataon’ireo maherifo niady ho an’ny Tanindrazana izao. Misy ireo komity mpanomana ny hetsika ary efa eo am-piketrehana izany izy ireo. Miompana amin’ny hoe “Tolom-panafahana: Fanavaozana ny fitiavan-tanindrazana” no tara-kevitra […]
INDRAY MIJERY
Mitohy ny fanohanana ny vahoakan’i Toamasina taorian’ny fandalovan’ny rivodoza Gezani. Ankoatra ny fizarana sakafo tsy misy fiatoana, efa niverina ny fizarana lelavola sy ny asa atakalo vola amin’izao fotoana izao. Araka ny masontsivana apetrak’ireo mpamatsy vola, laharam-pahamehana ireo zokiolona marefo, sembana ara-batana, ireo olona manana aretina, ireo tokantena, ireo mitaiza […]
Toe-piainan’ny ankohonana : Niofana tany Antsirabe ny mpanao gazety
Niofana nandritra ny hateloana, niaraka amin’ny teknisianin’ny Ivontoerana nasionaly mikirakira ny antontanisa (Instat), tany Antsirabe, ny mpanao gazety miisa 24 avy amin’ny sehatra haino vaky jery ary ana habaka. Tanjona ny hahafantaran’izy ireo ny fizotry ny dinika momba ny toe-piainan’ny ankohonana (Mics 2024-2025 Madagasikara). Eo koa ny rafitra fiaraha-miasa sy […]




