Auteur/autrice : Adnews

Fahasalamana : mamono ao anatin’ny andro vitsy ny tazomoka tsy voatsabo

Nitondra fanazavana amin’ ny fahamailoana amin’ny aretina tazomoka ny dokotera An­dritiana, avy amin’ny USAID Access sy ny Dr Raharilalao Nomenjanahary, misahana ny sampandraharaha miady amin’ ny tazomoka ary ny Dr Joss, avy ao amin’ny USAID. Mamono hainga be ny aretina tazomoka raha tara ny fitsaboana. Mila porofo amin’ny alalan’ny fitiliana […]

Laza adina CEPE : efa tonga eny amin’ny minisitera foibe

Efa tonga eo anivon’ny foiben’ny minisiteran’ny Fana­beazam-pirenena ny santionan’ ny laza adina CEPE. Avy any amin’ny Cisco sy ny Dren hi­safidianana hampiasaina amin’ ny fanadinana CEPE 2023, araka ny fanazavan’ny tale jeneralin’ny pedagojia, Andria­miakatsilavo Raoniherijaona. Manana 20 andro ny teknisianina ao amin’ny minisitera hifantenana ny laza adina fa­rany haroso amin’ny […]

fandaharam-pibeazana eny amin’ny EPP sy CEG : notombanana ny boky 56 enti-mampianatra

Eo am-panavaozana ny fandaharam-panabeazana ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena amin’izao fotoana izao. Rehefa hirosoana ny fa­natsarana, hisy koa ny fanavaozana ny boky enti-mampianatra hahazoana ny kalitao kendrena. Notom­banana ny boky fampianarana 56 efa nampiasaina ampolo taona maro teny amin’ny EPP sy ny CEG teto amintsika. Boky ho an’ny taranja Kajy sy Frantsay […]

3, 2, 1 pitch! by Fihariana : mpandraharaha sivy mianadahy nahazo fitaovana sy famatsiam-bola

Taorian’ilay fotoana ni­fampizarana tamin’ireo ta­nora mpandraharaha. Niditra tamin’ny fanolorana fankasitrahana an’ireo 9 miana­dahy nisongadina tamin’ny fifaninanana “3, 2, 1 pitch! by Fihariana” ny filoha Andry Rajoelina. Novatsiany fitaovana avy hatrany izy 9 mianadahy ireto. Fitaovana azo ampiasaina hampiroboroboana ny asa sy ny orinasan’izy ireo. Teo ny nahazo milina fanodinana vokatra […]

Filoha Rajoelina Andry : nizara traikefa tamin’ny tanora

Tafiditra amin’ny politikan’ny filoham-pirenena, nisy ny fizarana traikefa nataony tamin’ny tanora mpandraharaha, omaly. Notanterahina teny Iavoloha, ny « Malagasy Youth Business Meeting ». Tanora mpandraharaha miisa 40 avy amina seha-pihariana rehetra no noraisin’ny filoham-pirenena, Rajoelina Andry, teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha, omaly. Nisy ny dinika an-databatra boribory nifampiresahan’ny roa tonta. Indrindra […]