Auteur/autrice : Adnews

Oniversite Ankatso: haverina ny hetsika ara-kolontsaina

Mikarakara hetsika ara-javakanto ho an’ny rehetra ny mpianatra mpikambana ao anatin’ny Association des Médiathèques Culturelles na ADMC eny Ankatso. Tanjona amin’izany ny hampiroboroboana ny hetsika ara-koltoraly eny amin’ny Oniversiten’An­katso sy fampirisihana ny mpianatra eny hirotsaka eo amin’izany sehatra izany. Efa nisy ny hetsika natao ny alarobia lasa teo hisarihana ireo […]

A.Edi. M : Andiany faha-17 ny « Tsenam-boky »

«Ampitao amin’ny taranaka ny fahalalana. Vakio ny boky». Io ny lohahevitry ny «Tsenam-boky», andiany faha-17. Hetsika karakarain’ny «Association des Editeurs de Madagascar» (A.Edi.M), ny 17 avrily ka hatramin’ny 21 avrily izao, eo amin’ny zaridaina Ortana Antaninarenina. Tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoana ny lalana sy fanentanana momba ny tontolon’ny boky. Tafatafa amin’ny […]

Alahady faha-3 : sokafan’ny Jazz Club CGM/GZ ny sehatra

Isaky ny alahady faha-3 ao anatin’ny volana iray, mihaona sy manome sehatra ny mpitia jazz ry zareo ao amin’ny Jazz Club CGM/GZ. Hotan­terahina rahampitso, ao amin’ ny Cercle Germano-Mala­gasy/Goethe-Zentrum, toha­tohabaton’Antaninarenina izany ho an’ity volana avrily ity. Hosokafan’izy ireo ho an’ny talenta vao sy ireo liana amin’ny jazz ny sehatra. Fifampizarana, […]

Tarika AmbondronA : hisaotra sy hiara-paly amin’ny mpankafy etsy Analakely

Fampisehoana fiarahana mifaly noho izay 20 taona niarahana izay no atolotry ny tarika AmbondronA ho an’ny mpankafy azy. Misy ny fiaraha-miasa amin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra amin’ny fanatanterahana izany. Tontosa omaly, tao amin’ ny Lapan’ny Tanàna Analakely ny resadresaka ho an’ny mpanao gazety, niarahana tamin’ny solonte­nan’ny tarika AmbondronA sy ny tomponandraikitra […]

Fitantanana ny kaominina : manahy ny tsy hisian’ny fifidianana ben’ny Tanàna ny MTS

Naneho ny heviny, manoloana ny raharaham-pirenena ny filoha nasionalin’ny antoko Malagasy tonga saina (MTS), Ratsiraka Roland, omaly. “Ahiana ny tsy hisian’ny fifidianana ben’ny Tanàna sy mpanolotsain’ny Tanàna eto amin’ny tany sy ny firenena. Anton’izany ny fomba fiasan’ny fanjakana sy ny Ceni amin’izao fotoana izao”, hoy izy. Nohitsiny fa tsy mirindra […]