Ny ekipam-pirenen’i Tonizia no hifanandrina amin’ny Makis an’i Madagasikara, mandritra ny andro voalohan’ny fifanintsanana “Bathes Trophy 2023”, taranja rugby, sokajy zandriny (U20) lehilahy. Fifaninanana hotanterahina any Nairobi Kenya, ny 22 hatramin’ny 30 avrily ho avy izao. Marihina fa hanomboka amin’ ny 2 ora any Kenya ny lalaon’ ny roa tonta. […]
Auteur/autrice : Adnews
Basikety – N1A Mada 2023 : natao hifantenana ny ekipam-pirenena
Ho fiatrehana ny lalaon’ny Nosy 2023 sy ny lalaon’ny firenena miteny frantsay “Jeux de la Francophonie”, hisy ny fitiliana mpilalao handrafitra ny ekipam-pirenena malagasy mandritra ny fifaninanana N1A, lahy sy vavy. Hotanterahina any amin’ ny kianja mitafo Vatofotsy Antsirabe, ny 15-23 avrily ho avy izao, ny fifaninanana nasionaly, taranja basikety […]
Harena an-dranomasina : nitsangana ny tetikasa “Îles Barren”
Hikajiana ny tontolo iainana an-dranomasina sy hampaharitra azy. Hampiakarana ny fari-piainan’ny mpanjono madinika, ireo no tanjona napetraka amin’ny fanaingana ny tetikasa “Îles Barren” ao ampitan’i Maintirano sy ny ao amin’ny “Réserve de Biosphère” Tsimanampetsotse Nosy Ve-Androka. Omaly, nisy ny atrikasa momba ireto tetikasa roa lehibe ireo izay iarahana amin’ny WWF […]
“Spring meetings 2023” : nandray anjara tamin’ireo programa enina i Madagasikara
Notontosaina nanomboka ny alatsinainy 10 avrily, tany Washington ny “Spring Meetings”. Fivoriam-be isan-taona fanaon’ny Banky iraisam-pirenena sy ny Tahirim-bola iraisam-pirenena miaraka amin’ireo mpiara-miasa sy mpifanaraka ara-bola aminy rehetra. Nandray anjara amin’izany ny firenena malagasy izay tarihin-dramatoa Rabarinirinarison Rindra Hasimbelo, minisitry ny toekarena sy ny fitantanam-bola sy Andrianarivelo Aivo, governoran’ny Banky […]
Fanitsiana ny “code minier” : vahaolana sy fanamby avy amin’ny fanjakana
Nasiana fanitsiana ny lalàn’ny « code minier » taorian’ny tatitry ny filan-kevitry ny minisitra, ny talata teo. “Mikasa ny hametraka rafitra ara-dalàna mba hahatonga ny sehatry ny harena an-kibon’ny tany ho fanohitry ny fampandrosoana an’i Madagasikara ny fitondram-panjakana malagasy”, araka ny tatitry ny filan-kevitry ny minisitra hatrany. Notsipihiny fa ny fanitsiana ny […]




