“Manana fahatokiana azy ireo solombavambahoaka matoa nanolotra azy ho Praiminisitra”, hoy ny depiote tsy miankina, Andriamihaja Fanomezantsoa Yves Georges na Liva Rason, voafidy tao amin’ny distrikan’Ambositra, faritra Amoron’i Mania. Teny Mahazoarivo, omaly, nandritra ny tafa nataony tamin’ny mpanao gazety ny amin’ny praiminisitra Rajaonarison Mamitiana Jeannot R. sy ny governemanta vaovao […]
Auteur/autrice : Adnews
Misy isainana
Lesona iray lehibe azo tsoahina tamin’ny fanendrena ny Praiminisitra ny fifampitokisana. Olona manaja ny teny nomena, tsy mivadi-belirano na eo aza ny tsindry isan-karazany, ny lehiben’ny governemanta vaovao. Nandritra ny fotoana maharitra no efa nijoro ho arofanina izy, tamin’ny toe-javamisy tsy nety teto amin’ny firenena. Tsy nampaninona azy ny […]
Governemantan’ny fanavaozana : Minisitra “choc choc” no hotendrena
Mahitsy, fohy, mivantana… Kabary sy valin-teny “choc choc”? “Choc choc” koa ny minisitra hotendrena eo, raha ny nambaran’ny Praiminisitra vaovao, Rajaonarison Mamitiana Jeannot R., tamin’ny nandraisany ny asany. “Toromarika no nomen’ny filoha ahy: minisitra “choc choc”. Tonga dia manome vokatra eo no ho eo no hotendrena”. Io ny nambaran’ny Praiminisitra […]
Pureplay Football League : Voatazon’ny CosPN ny Disciples
Notanterahina ny faran’ny herinandro teo ny andro fahavalo sy fahasivin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, “Pureplay Football League (PFL)”. Nosahiranin’ny CosPN Analamanga ny Disciples Fc Vakinankaratra, ny asabotsy teo, tany Antsirabe. Nisaraka ady sahala, 1 no ho 1, ny roa tonta. Marihina fa ny ekipan’ny Polisy nasionaly no nitarika 1 […]
Rugby – « XXL Top 12 » : Mbola mpanjakan’ny kartie ny CEA Andranomanalina
Notanterahina omaly, teny amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka, ny andro fahafito fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina lavalava. Mipetraka ho mpanjakan’ny kartie amin’ity taranja ity izany ny CEA Andranomanalina, rehefa nandavo ny FTM Manjakaray, tompondakan’ny “XXL Top 12” farany teo, tamin’ny mokafohy, 29 no ho 28. Raha iverenana kely ny […]




