Auteur/autrice : Adnews

DAKA AN-JORONY: Lasa ilay tongotra havia

Nanjombona mbola atoandro ny tontolon’ny baolina kitra malagasy. Maty ilay kintan’ny baolina kitra, Rakoton­dramasy Desiré, fantatra ny maro amin’ny hoe: Dezy Ramasy. Toy ny nilatsaham-baratra ny rehetra nandray ny vaovao. Tampoka loatra tamin’ny mpankafy fa tsy heno narary na nanaovana antso fanampiana tetsy sy teroa Itompokolahy. Kintana tena namiratra tao […]

Basikety-“Fiba 3X3 Champions Cup” : Tsy nahomby ny ekipa malagasy

Nifarana ny sabotsy lasa teo, tany Bangkok Thaïlande, ny fifaninanana”Fiba 3×3 Champions Cup” izay nandraisan’i Madagasikara anjara. Tsy nahomby ny Ankoay lahy sy vavy. Faharesena 3 avy no azon’izy ireo nandritra ity fifaninanana ity, ny faran’ny herinandro teo. Firenena goavana sy efa tompon’ny basikety 3×3 maneran-tany avokoa no nifanandrinan’izy ireo […]

INDRAY MIJERY

Azo atao eny amin’ny CSB II ny “visite médicale” ho an’ireo mpiadina hanala bakalorea. Ny volana avrily no fe-potoana farany handefasana fangatahana fanokafana ivontoeram-panadinana vaovao ary ireo mahafeno ny fepetra takina ihany no ekena, raha ny fanazavan’ny Mesupres Voaresaka nandritra ny CPU ny kalitaon’ny fanoratana «mémoire». Nentanina ny Oniversite hametraka […]

CPU : Mifanohana ny minisitera sy ny oniversite

Lohahevitra manan-danja 5 no niaraha-nidinika nandritra ny Conférence des présidents des universités (CPU) élargie. Niarahana tamin’ny Pr Andriamaniraka Jaona Hari­lala, sekretera jeneralin’ny Mesupres sy ireo filohan’ny oniversite manerana ny Nosy ary ireo tale jeneralin’ny IST izany. Fantatra, tamin’izany, fa efa nifarana ny fisoratana anarana ary efa nahavita ny “Commission de […]

Fitantanana ny fanampiana : Nitondra fanazavana ny BNGRC

Nanazava ny paikady fizarana ny fanampiana ho an’ireo traboina any Toamasina ny tale jeneralin’ny BNGRC, ny jeneraly Ramanantsoa Gabriel. Mahakasika ireo sorabola fanampiana nolazain’ireo firenena mpiara-miombon’antoka amin’i Madagasikara sy ireo vola nanaovana fanampiana dia fantatra fa tsy mbola nandrotsaka izany ny ankamaroany. Tsy mitantana ny vola avy amin’ireo mpiara-miombon’antoka (PTF) […]