Auteur/autrice : Adnews

Kitra – Fifanintsanana «Can 2023» : Roandey no hitsara ny lalaon’ny Malagasy sy i Centrafrique

Iray andro mialoha ny lalao mandroso hikatrohana amin’i Centrafrique ny Barea de Madagascar, anio. Vonona ny ekipa roa tonta hiatrika izany. Hitantana ny lalao ireo mpitsara avy any Rwanda. Avy atsy Maorisy ny “commissaire au match”. Hitantana ny fihaonana eo amin’ny Barea de Madagascar sy ny Les Fauves du Bas-Oubangui […]

« Andron’ny ala » : anisan’ny tsindry manimba ny ala ny fifindra-monina

Natokan’ny Firenena Mi­kambana (ONU) hankalazana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny ala ny 21 marsa. Nana­marika izany koa i Madagasi­kara, ka natao tany amin’ny foiben’ala any Manankazo Anka­zobe ny fanamarihana tamin’ny fomba ofisialy, omaly. Lohahe­vitra noraisina ny hoe : «Ny ala sy ny fahasalamana». Nisy ny fambolena volobe manamorona ny renirano, sady […]

Krizy sosialy : vahaolana ny fampiroboroboana ny sehatra tsy miankina

Manana anjara toerana lehibe amin’ny fampiroboroboana ny toekarena sy famahana olana sosialy ny sehatra tsy miankina. Manoloana ny krizy goavana lalovan’ny firenena malagasy, manan-danja ny fijerena akaiky ny olana sedrain’ny fandraharahana amin’ny ankapobeny. «Ny sehatra tsy miankina sy ny mpandraharaha no afaka ma­morona asa. Rariny sy hitsiny izany raha atao […]

Sekoly alahady : hihaona any Moramanga ny mpampianatra

Hotanterahina any Mora­manga ny 19, 20, 21 avrily izao ny fihaonamben’ny mpampianatra Sekoly alahady manerana ny sahan’ny FJKM. Hisy ny karazam-piofanana omena azy ireo, mifanaraka amin’ny taonan’ny ankizy raisiny. Tanjona ny hanatsarana ny fahaiza-manaon’ireo mpampianatra amin’ny fandraisana ireo ankizy sy tanora eny anivon’ny fitandremana, hikolo azy ireo ho tonga olom-banona […]