Auteur/autrice : Adnews

Boky mirakitra tononkalo: Namoaka ny « Miaka-bolana » i Faniry Hantarinivo

Tontosa ny zoma 14 aogositra teo, tao amin’ny tranombokim-pirenena Anosy ny fa­moahana ny boky «Miaka-bolana» mirakitra tononkalo nosoratan’i Faniry Hantarinivo. «Tononkalo nosoratana fony mbola zaza ka hatramin’ny roa volana lasa no ao anatin’ny « Miaka-bolana » », hoy izy. Tononkalo itoeran’ny fanantenana, fotoana mampamelana ny voary, hananana fijery miabo hatrany amin’ireo tranga tsy […]

Om-Gui: Tsy maty am-pon’ny mpankafy…

Ny mpanakanto, hono, tsy mba maty, fa velona mandrakizay amin’ny alalan’ny sanganasany. Voaporofo izany raha hiresaka an’i Om Gui, satria dia manjohy ny tarika Ny Ainga eny hatrany ireo mpankafy, 10 taona taty aorian’ny nahalasany. Fanomezam-boninahitra ity mpanakanto nanangana ny tarika Ny Ainga ity, ilay seho notontosaina tao Antsahama­nitra, omaly. […]

« Star Tour Mahajanga 2026 »: Be mpankafy i L Jo, tsy lefy laza ry AmbondronA

Nokendren’ny Star ho roa andro mafana indrindra ny teny amin’ny Bord Mahajanga. Lanonambe ho an’ny mpianakavy, niaraka tamin’ny fampisehoana goavana izany. Tsy nisy nodiavina. Ra­kotra olona nanomboka teny amin’ny Baobab le­hibe, hatrany anoloan’ny Chambre de Commerce Ma­hajanga, ny faran’ny herinandro teo. Angamba mbola ny « Star Tour » ihany no nahavory olona […]

VAOVAO TAMBATRA

Miverina ny fahatapahan-jiro mifandimby eto Antananarivo sy ny manodidina. Misy olana ara-teknika ny milina mpihary herinaratra ao amin’ny TAC 1 Jirama ao Ambohimanambola. Maloka ihany koa ny andro ka tsy feno ny vokatra azo avy amin’ny herin’ny masoandro. Vokany mihena hatrany amin’ny 20 MW ny vokatra tsinjaraina eo amin’ny tambazotra […]

Ampitambe Moramanga : Mponina 2 730 misitraka rano fisotro madio

Avy ao amin’ny Fokontany Ampitambe, Kaominina Amba­nivohitra Ambohibary, Distri­kan’i Moramanga ireo mponina nahazo tombontsoa, taorian’ny fahavitan’ny fotodrafitrasa fa­matsian-drano avy amin’ny toerana avo (AEPG) novatsian’ Am­batovy vola. Notokanana tamin’ny fomba ofisialy ny 14 aogositra tany an-toerana ny fotodrafitrasa vaovao. Tafiditra ihany koa ao anatin’ny ezaka ataon’Ambatovy hanatsarana ny fari-piainan’ireo vondrom-piarahamonina manodidina […]