Notokanana sy nosokafana ny faran’ny herinandro teo ny biraon’ny fitaleavam-paritry ny Filaminam-bahoaka ao amin’ny Faritra Boeny. Amin’ny maha stratejika eo amin ny lafiny toekarena ity faritra ity, miandry ny polisim-pirenena miasa ao amin’ity fitaleavam-paritra ity ny fametrahana tontolo milamina ahafahana mampiroborobo ny fandraharahana, tsy ho tombontsoan’ny Faritra irery fa ho […]
Auteur/autrice : Adnews
TSELATRA
Mpangalatra ireny kojakoja anaty fiara ireny voasambotry ny polisy teny Ilanivato, ny sabotsy 15 aogositra teo. Nenjehin’ny polisy izy ka nahatrarana auto radio teny aminy. Notanana am-ponja ny lehilahy nangalatra basy ka nikasa hamarotra izany tao Belo sur Tsiribihina, ny zoma 14 aogositra teo. Tsy nisy taratasy sady nokasainy hamidy […]
Diplaoma bakalorea hosoka : Talen-tsekoly tsy miankina naiditra am-ponja
Niakatra fampanoavana teny anivon’ny fitsarana Anosy ny talen-tsekoly tsy miankina iray, niampy olona efatra mpiray tsikombakomba taminy. Notanana vonjimaika any am-ponja izy ireo, ny faran’ny herinandro teo. Nisy tsy fahatomombanana tsikaritry ny tomponandraikitra miasa eo anivon’ny Oniversite Antananarivo, ny 5 aogositra lasa teo. Vehivavy nikasa hanao fanamarinana dika mitovy amin’ny […]
Fianarantsoa: Lehilahy tratra nanolan-jazalahy
Nosamborin’ny polisim-pirenena miasa eo anivon’ny CSP Ankofafa ny lehilahy nanolan-jazalahy 12 taona tao Fianarantsoa, omaly maraina. Nanaovan-drangahy ny filan-dratsiny ilay zaza tsy manan-tsiny tokony ho tamin’ny 3 ora maraina. Mody nilaza hitady ny renin’io zaza io ity lehilahy nahavanon-doza ity ka niditra ny trano. Ny renim-pianakaviana izay tsy tao an-trano […]
Fiara tapaka hisatra : Mpandeha 4 namoy ny ainy, 34 naratra
Olana tampoka teo amin’ny hisatra, nitarika loza ka namoizan’aina olona efatra, tao Ambalavaokely, PK419+100, afakomaly. Tsy tana ny ain’ny efatra tamin’ireo mpandeha tra-doza tao anatin’ny fiara nivadika teny amin’ny lalam-pirenena fahafito, PK419+100, tao amin’ny tetezan’Ambalavaokely, distrikan’i Vohibato, afakomaly. «Tsy nahazo tampoka ny hisatra tamin’ilay fiara. Anisan’ny nitarika ny loza», hoy […]




