Auteur/autrice : Adnews

TSELATRA

Nosamborin’ny mpitandro filaminana ireo roa lahy tratra nibata vy halatra tao amin’ny kaominina Ala­sora, omaly. Nendahin’izy ireo tamin’ny tranon’olona ireo vy fiarovana teo amin’ny varavarana. Nentina natao famotorana izy roa lahy. Lehilahy nahatrarana basy tsy ara-dalàna tao amin’ny kaominina Ankadikely Ilafy, ny alarobia 15 oktobra lasa teo. Nogiazan’ny mpitandro filaminana […]

Namontana-Anosibe : Mpanendaka 19 lahy voasambotry ny UIR

Saron’ny polisy teo am-pidorohana sy teo am-pamarotana zava-mahadomelina ny andian-dehilahy am-polony tao amin’ny fokontany Na­mon­tana, omaly. Naharay loha­ranom-baovao marim-pototra ny polisin’ny UIR fa misy lehilahy maromaro mi­vorivory anatin’ny toerana somary malomaloka ao amin’io fokontany io. Nidina ifotony nanao fisafoana teny ny polisy. Nanatanteraka paikady manokana tsy ahafahan’ireo ahina ho mpiray […]

Fandaminana ataon’ny kaominina: Nitokona ny mpivarotra teny Mahazoarivo

Nidina an-dalambe, sy nandoro kodiarana ireo mpivarotra amoron-dalana, tetsy Ambohimihandra mihazo ny lalana mankany Mahazoarivo, omaly maraina tokony ho tamin’ny 10 ora sy sasany tany ho any. Naneho ny tsy fankasitrahany ny fandaminana napetraky ny kaominina Antananarivo Reni­vohitra ireo mpivarotra ireo, ka niroso tamin’izao hetsika izao. Nambaran’ireo mpivarotra fa nisy […]

Fiara efatra nifandona : Olona efatra namoy ny ainy tetsy Andranotapahina

Tra-doza tetsy amin’ny lalana Andranotapahana hihazo an’Ivato, ny fiara miisa efatra, omaly atoandro. Nifanenjika ny fiara tsy mataho-dalana roa, nisongona ny iray tamin’izy ireo ka nifatratra tamin’ny fiara roa nifanena taminy. Niara-maty vokatr’izany ny olona efatra. Olona roa hafa naratra mafy. Fiara miisa efatra no ni­fandona tetsy Ando­harano, amin’ny lalana […]

VFKF : Mikendry ny hanomezan-danja ny fokonolona

Nanantanteraka fotoam-pivavahana iraisam-pinoana tetsy amin’ny FJKM Ambato­mena, afakomaly, ny Hetsika fampiraisana kristianina ho an’ny firenena (HFKF) sy ny Vovonana famerenan-kasina ny fokonolona (VFKF) izay ivondronana fikambanana maro, miorina hamerina ny hasin’ny fokonolona, ahitana ny TMTM, FFMA, Fizoma, Tafo Mihaavo, Fanonga fokonolona, ny FMGKrima… Na­namarika ny faha-68 taona nijoroan’ny Repoblika Mala­gasy […]