Taorian’ny fanomezan-dalana avy amin’ny filohan’ ny Repoblika, amin’ny fahafahana mampiasa ny kianja basikety Mahamasina, nihaona tamin’ny Sekreteram-panjakana misahana ny Tanàna Vaovao, ny federasiona malagasin’ny basikety. Niara-nandinika ny fomba hitantanan’ny FMBB ity kianja ity ny SENVH, Andriamanohisoa Gérard sy ny filohan’ny Federasiona, Ramaroson Jean Michel. Nidina ifotony avy hatrany ny roa […]
Auteur/autrice : Adnews
Minisitra Resampa André Haja: “Omanina ireo atleta andiany faharoa hiofana any ivelany”
Notanterahina omaly ny filankevitry ny minisitra. Nilaza ny minisitry ny Fanatanjahantena, Resampa André Haja, fa hisy atleta malagasy andiany hafa hiofana any ivelany. Hisy koa ny fikarakarana ny amboaran’ny filoha. Hametraka ny paikady “Vohitra”. “Efa mikarakara ireo atleta malagasy andiany faharoa hiofana any ivelany ny minisiteran’ny Fanatanjahantena”, hoy ny minisitry […]
Skoty –Andron’ny mpanorina : mpamonjy voina 120 nahazo mari-pankasitrahana
22 febroary. Ahatsiarovana ny andron’ny fieritreretana sy andron’ny mpanorina ny skotisma maneran-tany. Fantatra amin’ny anarana hoe: “Baden Powel”. Natao teny Analakely izany, omaly maraina. Niavaka ny hetsika tamin’ity taona ity. Satria namoahana sy nanolorana mari-pankasitrahana tamin’ny fomba ofisialy ireo vondron’ny mpamonjy voina eto Analamanga afovoany. Miisa 120 mianadahy izy ireo. […]
Talata matavy : nomarihin’ny sekoly tamin’ny fanaovana diabe
Nankalaza ny talata matavy ny sekoly maro teto Antananarivo, afakomaly. Naseho tamin’ny alalan’ny hetsika maro samihafa izany. Nanaovana diabe manerana ny tanàna ho an’ny sekoly Les Petits Lauréats etsy Ambodiafontsy Ampitatafika. Nandraisan’ny mpianatra sy ny mpampianatra rehetra anjara. “Ny tontolon’ny asa” ny lohahevitry ny hetsika ho azy ireo. Nanao fanamiana […]
Kitra – LDC : mety hiverina PSG i Tuchel
Miharatsy ny vokatra azon’ ny Paris Saint Germain Fc, klioba Frantsay. Mitetika ny hanala an’i Christophe Galtier, Frantsay mpanazatra PSG ary hamerina an’i Thomas Tuchel, Alemà mpanazatra ity klioba frantsay ity. Raha ny vaovao hita tao anaty tambajotra – tserasera omaly, nametraka fepetra roa i Tuchel vao hiverina. Anisan’ izany […]




