Auteur/autrice : Adnews

Aza be kajy!

Taitra tao indray ny filoha ! Hisy ny fanovana amin’ny governemanta afaka andro vitsy, raha ny tombana satria efa vita ny fisaorana. Betsaka ny fanehoan-kevitra momba izany, nanomboka afakomaly hariva mandraka izao. Fanovana atao inona ? hoy ny malailay fonosana. Tena ilaina kosa, hoy ny mpanohana mahafatra-po. Ireo nilaza fa […]

Mitazam-potsiny ny manampahefana: vazaha manao tsindry hazolena vahoaka

Velon-taraina amin’ny hafitsoky ny manampahefana ao Toliara ny mponina. Milaza ireto farany fa tsy misy ny fandraisana andraikitra, manoloana ny tsindry ataona vazaha iray. Manao antso avo amin’ ny mpitondra fanjakana ny mponina ao Toliara, indrindra ny avy any Mangily amin’ny tsindry hazolena manjo azy ireo. Am­pangain’ny mponina any an-toerana […]

Tsenabe Isotry: jiolahy tratra nivarotra vilanibe halatra

Tsy mifidy intsony ireo jiolahy! Hatolotra ny fampanoavana aorian’ny fanadihadiana azy ity jiolahy iray tratra namaky tranon’olona teny Ambatomena ity. Voa­sam­botry ny polisy miasa ao amin’ny kaomisarian’ny boriborintany fahefatra (CSP4), Isotry teo amin’ny tsenabe Isotry ilay jiolahy, omaly tamin’ny 5 ora maraina. Voarohirohy amina halatra mi­haro vaky trano izy. Voalazan’ny […]

Ela nitoratorahana : maty voatifitry ny polisy i Erick, mpamono olona

Tapitra tanteraka ny asa ratsin’ny jiolahy iray ikoizana ao Toamasina. Afakomaly, nirefodrefotra ny basy tokony ho tamin’ny 12 ora alina teo, tao Tsarahonenana. Maty voatifitry ny polisin’ny Fip i Erick, jiolahy mpamerin-keloka sady nokarohina hatry ny ela. Fanta-daza amin’ny vaky trano, vono olona ary fanafihana mitam-piadiana ny lehilahy. Tamin’io fotoana […]

Mandrosoa Ivato : roa lahy nahatrarana rongony 3,2 kg sy mohara

Tratran’ny zandary avy ao amin’ny vondron-tobim-paritry ny zandarimariam-pirenena Ambohidratrimo teny Mandrosoa Ivato, omaly, ireo roa lahy voarohirohy tamina raharaha fivarotana rongony. Nahazo loharanom-baovao ny kaomandin’ny vondron-to­bim-paritra momba ny fisiana mpanao trafikana zava-mahadomelina ao amina trano iray ao amin’ny fokontany Man­drosoa. Nametraka ny vela-pandrika rehetra ahafahana misambotra ireto voarohirohy ny zandary […]