Amin’ny lafiny rehetra, manan-karena be, hono, i Madagasikara ! Ny mahavariana, tafiditra ao anatin’ny laharan’ny firenena mahantra indrindra maneran-tany anefa izy. Misy rindra mifanohitra ao ambadik’ireo fa tsy tongatonga ho azy. Mpilalao fototra ao anatin’izany ny vahiny sy ny forongony. Fitaovana nampiasan’izy ireo kosa ny Malagasy sasany sy ny fanabeazana […]
Auteur/autrice : Adnews
Fiaraha-miasa amin’ny any ivelany : hamafisina ny sehatry ny fambolena
Niray dinika tamin’ny minisitry ny Fiompiana sy ny fambolena, Harifidy Ramilison ny masoivohon’i Afrika Atsimo, Sem Sisa Ngombane, afakomaly. Navoitra nandritra ny fihaon’ny roa tonta ny fomba entina hanatsarana ny seha-pambolena sy ny fiompiana eto an-toerana. Anisan’ ny hitondra ny anjara birikiny amin’izany ny eo anivon’ny firenena afrikanina tatsimo. Raha […]
Filoha Rajoelina : « Tsy maintsy vita ny autoroute »
Maromaro ny lohahevitra noresahan’ny filoha Rajoelina nandritra ny diany tany Morarano Chrome, Ambatondrazaka, omaly. Notsipihiny fa tsy maintsy miainga amin’ny fambolena raha handresy ny fahantrana. Mila hampitomboana ny velaran-tany ho volena, ka izay no mahatonga ny fanomezana ny kara-tany. Ilaina koa ny fampiasana zezika hampiakarana ny vokatra, toy ny vary. […]
Ravinala Airports : notolorana “Airport Carbon Accreditation”
Notolorana « Airport Carbon Accreditation» (ACA), sokajy 1, ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Antananarivo sy Nosy Be, tantanan’ny Ravinala Airports. Ny ACI Eoropa nametraka io fepetra ACA io ho an’ny fitantanana seranam-piaramanidina tsy hampihanaka ny “carbone”. Homena fepetra mitovy ny seranam-piaramanidina rehetra, ka ny tanjona ny hahafahana mandrefy ny “carbone” mivoaka. Natolotra ny […]
Fahavitan-tena ara-tsakafo: nanome zezika 500 t ny orinasa Ambatovy
Azo hatao zezika ny Solfata amonioma (SA) avy amin’ny akora fanodinana ny nikela sy kobalta vokarin’ny orinasa Ambatovy. Sambany ny hampiasana izany, ankehitriny, entina hanatsarana sady hampiakarana ny vokatry ny tantsaha. Natao, omaly, tany Morarano Chrome, ny fanoloran’ny orinasa Ambatovy ny zezika Solfata amonioma (SA), azo avy amin’ny fanodinana ny […]




