Auteur/autrice : Adnews

Kitra any ivelany : hihaona amin’i Messi farany i Ronaldo

Hotanterahina androany, any Arabie Saoudite, ny lalao fihantsiana eo amin’ny klioban’ny PSG Frantsa sy ny All Star d’Arabie, fitambaran’ny klioba Arabo, AL Nassr sy Al- Hilal. Anio koa no ahitana ny fihaonan’i Messi, kintan’ny baolina kitra argentine sy i Cristiano Ronaldo, mpanjakan’ny baolina kitra portugal farany. Marihina fa efa niainga […]

Barea Chan : “Handresy an’i Soudan ny tanjona manaraka”, hoy i Rôrô

Fanamby manaraka ho an’ny Barean’i Madagasikara amin’ity Chan 2023 ity, ny handresy an’i Soudan. Araka ny tafatafa nataon’i Rôrô, mpanazatra, tao anaty tambajotran-tserasera, omaly. “Tsy midika fa hoe haka amboara isika raha nandresy an’i Ghana, saingy mbola hiezaka handavo an’i Soudan no tanjona manaraka. Mba hiakarana amin’ny dingana manaraka amin’ny […]

Misafotofoto

Miditra an-tanety anio ny rivodoza Cheneso. Efa misam­boaravoara ny ranomasina. Misafotofoto ny rivotra. Mikija ny orana, indrindra any amin’ny tapany avaratra atsinanana sy atsinanan’ny nosy. Aty an-drenivohitra aza, vao maraina efa misy ny tsiotsio-drivotra hafahafa izany, hatry ny omaly. Midika izany fa mafimafy ny rivotra entiny. Ahiana ho ratsy ny […]

Efa nigadra teny Tsiafahy: nizerianina naiditra am-ponja eny Antanimora

Tsy mety fay. Efa avy nigadra teny Tsiafahy, mbola nanohy ny asa ratsiny ihany. Nidoboka eny Antanimora indray ity Nizerianina mpanao trafikana rongony “méthamphétamine” ity. Naiditra am-ponja ny ta­lata 17 janoary teo eny Antanimora indray, ilay teratany nizerianina nahatrarana rongony mahery vaika tetsy Ambohitriman­jaka. Efa mpamerin-keloka ikoizana amin’ny fanaparitahana zava-mahadomelina […]