Auteur/autrice : Adnews

Nampiasa ny « puce » nangalariny: dahalo nanafika ben’ny Tanàna maty voatifitra

Nanafika ben’ny Ta­nàna, maty voatifitry ny zandary ny dahalo raindahiny iray tao amin’ny fokontany Vohi­mary, kaominina Ambohitsa­ra, distrikan’i Manakara ny talata 9 janoary teo. Ny alin’ny alatsinainy, niditra an-keriny tao amin’ny tranon’io ben’ny Ta­nàna ao an-toerana io ireo dahalo. Lasan’izy ireo tamin’ izany ny entana rehetra. Nam­pandre avy hatrany ny […]

Kaominin’i Bemanonga : dahalo efa-dahy voasambotra

Nahare fisiana andian-dahalo mikononkonona hanafika, tra-tehaky ny polisy ny efa-dahy malaza ratsy amin’ny fanafihana sy ny halatr’omby tao amin’ny fokon­tanin’Androvabe Soatanana, Andramoteraka, kaominina ambanivohitr’i Bemanonga, ny alarobia teo. Andro vitsy taorian’ny fampihorohoroana nataona dahalo tao amin’io tanàna io, nanao fitsirihana ny mpitandro filaminana. Fan­tatra tamin’izany fa misy ny fikasana andian-jiolahy […]

Andron’ny manamboninahitra : miantso fijoroana amin’ny andraikitra ny praiminisitra

Nanafatrafatra toy ny isan-taona. Natao, omaly teny Mahazoarivo koa ny fanamarihana ny Andron’ny manamboninahitra. Nitarika izany ny manamboninahitra, zandriny indrindra, ny Lieutenant Rakotoarison Safidiniaina. Miasa eo anivon’ny vondron-tafika ho ami’nny fiarovana ny lapa “Bataillon de sécurité de la primature”, ny tenany. Tonga nitarika ny lanonana ny Praiminisitra, Ntsay Christian. Nisy […]

Vaky trano : olon-dehibe efatra voasambotry ny zandary

Voasambotry ny zandary ireo olon-dehibe efatra mianadahy tratra namaky trano tao Behenjy afak’omaly. Nisy nanafika ny tokantrano iray ao Anjanamasoandro ambony, fokontany Antanetibe, kaominina Behenjy tamin’io andro io. Lasan’ny jiolahy tamin’ izany, ny vilany, ny biby fiompy ary kojakoja maro samihafa tao an-trano. Na­havoaray antso avy tamin’ny olon-tsotra ny zandarimariam-pirenena […]

Jly Rakotonirina Richard : “Manana tamberin’andraikitra ny manamboninahitra”

Nanana ny nambarany ny minisitry ny Fiarovam-pirenena (MDN), ny Jly Rakotonirina Richard, tamin’ny fanamarihana ny Andron’ny manamboninahitra, omaly. Nisy ny hafatrafatra napetrany tamin’izany. “Manana tambe­rin’andraikitra amin’ny vahoaka Malagasy sy ny firenena ny manamboninahitra ary tsy natao hiandany na amin’iza na iza. Eo koa ny fiarovana ny vahoaka sy ny fananany”, […]