Auteur/autrice : Adnews

Mpamily kamiao: tsy grevy fa fanairana no hatao

Fantatra fa hanao hetsika amin’ny alahady 15 janoary, ny mpamily fiarabe mampiasa ny lalam-pirenena faharoa (RN 2), noho ny haratsian’ny lalana. Nomarihin’ny filohan’ny Vondron’ny mpitatitra matihanina any Atsinanana (GTPE) Alain, fa araka ny tatitry ny mpamily amin’izy ireo, intelo no nisy kamiao nivadika teo amin’ny toerana iray antsoina hoe Marozava­vy, […]

Vary Tsinjo: amidy 650 Ar ny kapoaka

Nisantarana ny fanapariahana ny vary Tsinjo ny eto an-dRenivohitra, hitsinjovana ny maitsoahitra ary hahazo koa ny faritra hafa, raha ny filazan’ny minisiteran’ny Varotra. Mitobaka kosa ny vary eto an-toerana any Bongolava sy Atsimo Atsinanana. Milanja 60 taonina ny vary Tsinjo naparitaka any amin’ny fo­kontany miisa 54 ato anatin’ny kaominina Antananarivo […]

CUA- Fitantanana tsena : tsapa ny ezaky ny ben’ny Tanàna

Niarahaba nahatratra ny taona sy nirary soa ny ben’ny Tanànan’Antananarivo Renivohitra, Andriantsitohaina Naina, tetsy amin’ny kianja mitafo Mahamasina, ny solontenan’ny mpivarotra sy ny mponina, omaly. Nanolotra fanomezana ho an’ny ben’ny Tanàna izy ireo nandritra izany. Tonga teny an-toerana avokoa ny fikambanan’ny mpi­varotra eto an-drenivohitra sy ny fikambanan’ny mponina ao anatin’ny […]

Haintany sy fahamaizana : nanohana tokantrano 42 532 ny BNGRC

“Nandritra ny taona 2022, nahatratra 56 ny trangana fahamaizana teto Madagasi­kara ary ny 80% amin’ny fahavoazana dia vokatry ny tsy firaharahana avokoa ka tokony ho mailo ny rehetra.”, hoy ny tale jeneralin’ny BNGRC, ny jeneraly Andria­kaja Olivier Elack. Vao tamin’ity herinandro ity, nisy fahamaizana roa niseho tao amin’ ny faritra […]