“Misy ary zavatra nisy io. Ny vadiko manatanteraka asa sosialy any amin’ny distrikan’Ikongo efa nitondrana ray aman-drenina zaza indroa miantoana, tamin’ny novambra sy desambra 2022. Nivarotana olona zaza ny vadiko”, hoy ny filoha lefitry ny Antenimierampirenena, faritany Fianarantsoa, ny depiote voafidy tany Ikongo Razafintsiandraofa Jean-Brunelle, teny Ivato, omaly. Nomarihina fa […]
Auteur/autrice : Adnews
Na lavitra sy saro-dalana aza… : mandeha ny fanisana mpifidy any amin’ny distrikan’i Marolambo
Tapa-bolana sisa dia hifarana ny fanisana mpifidy ao anatin’ny fanavaozana tanteraka ny lisi-pifidianana. Mby aiza? Indrindra ny any any amin’ny toerana lavitra, saro-dalana… Mandeha ny fanisana mpifidy, raha ny any amin’ny distrikan’i Marolambo, ohatra. Raha 5% ny tahan’ny fisoratana anaran’ny olom-pirenena amin’ny lisi-pifidinana ao amin’ny distrakan’i Marolambo, faritra Atsinanana, ny […]
Toamasina : miparitaka ny basy, afenina ny valanaretina
Tao anatin’ny folo andro nanombohan’ny taona, nitrangana vonoan’olona roa sahady tao amin’ ny tanànan’i Toamasina. Misy amin’ireo olona sasany maty an-drano sy vokatry ny fisotroan-toaka… Hatramin’ny fiatombohan’ny taona, olona roa maty nisy namono tao Toamasina. Tovovavy hita faty tao Ambalamanasy ny iray tamin’izy ireo. Nilaza hitory noho io nahafaty ny […]
Hala-jaza- Toliara: olona efatra hadihadian’ny polisy
Mbola mitana ny sain’ny maro ny raharaha hala-jaza tao amina klinika iray ao Tanambao Toliara. Ankehitriny, miisa efatra ireo voasambotra sy hanaovan’ny polisim-pirenena famotorana. Isan’izany ilay vehivavy mpampivelona iray, renim-pianakaviana mpandraharaha iray sy ireo mpiasa roa tao amin’ilay klinika. Vesatra hanenjehana ilay vehivavy voalaza ho tompon’antoka tamin’izany ny fisandohana andraikitra. […]
Aza avadika ny rasa
Mangotrakotraka ny raharaha politika, mandra-pivoakan’ny mpikambana vaovao amin’ny governemanta. Mahazo vahana mifanaraka amin’izay ny olam-piarahamonina amin’ny endriny samihafa. Taiza teto Madagasikara no misy izany hoe mivaro-janaka eny amoron-dalana, raha tsy vao izao. Ny hanamarina na handiso ny vaovao aloha hatreto sarotra ihany, ho an’ny mpanao gazety, izay tsy afaka midina […]




