Maty voatifitry ny mpitandro filaminana ny jiolahy iray tetsy Masindray, fokontany Ambatofotsy, kaominina Tsiafahy, afakomaly 9 marsa 2026. Anisan’ny malaza amin’ny halatra omby sy fanafihana mitam-piadiana izy io, raha ny fanazavana voaray. Naharay antso avy amin’ny tsara sitrapo ny ekipan’ny zandarimariam-pirenena fa misy andian-jiolahy mikononkonona hanafika sy hangalatr’omby tao an-toerana. […]
Auteur/autrice : Adnews
Halatra fitaovana informatika: Lehilahy iray voasambotry ny polisy
Nosamborin’ny polisim-pirenena avy amin’ny Sampan-draharaha misahana ny heloka bevava (SRPJ) ao amin’ny fitaleavam-paritry ny Filaminam-bahoaka Alaotra-Mangoro, ny sabotsy teo, ny lehilahy iray, voarohirohy ho nangalatra tao amin’ny mpampiasa azy. Raha ny fanazavana voaray, mpiasa mpanadio tao amin’ny orinasa iray tao Ambatondrazaka izy. Noharaoraotiny izany asany izany hangalarana. Lasany, nandritra izany, […]
Kamiao latsaka ambany tetezana: Mpandeha telo maty, roa hafa naratra mafy
Latsaka tany ambany tetezana ny kamiao mpitatitra entana iray, tany amin’ny lalam-pirenena fahadimy, ny alin’ny alatsinainy teo. Mpandeha telo namoy ny ainy ary roa hafa naratra. Nivarina tany ambany tetezana, tao Marovato, lalana mampitohy ny kaominina Ambodiriana sy Antetezambaro, disitrikan’i Toamasina II, faritra Atsinanana, ny kamiao lehibe iray mpitatitra entana, […]
Tenisy : Hiatrika lalao iraisam-pirenena 11
Feno tanteraka ny fandaharam-potoana ho an’ny Federasionina malagasin’ny tennis (FMT) ho an’ity taom-pilalaovana 2026 ity. Ankoatra ny fifaninanana eto an-toerana, miisa 11 ireo fihaonana iraisam-pirenena hatrehina. Tafiditra ao anatin’izany ny fampiantranoana ny “ITF J30”, sokajy junior. Hotanterahina ny 29 septambra – 3 oktobra ny dingana voalohany, ny 6 – 10 […]
SOMBIM-BAOVAO
Ny ekipa nisy an’i Dylan Rocher sy i Robineau ary i Rizzi no nibata ny amboara tamin’ny « Passion pétanque Française (PPF 2026). Resin’izy ireo teo amin’ny famaranana, tamin’ny isa 13 no ho 10, ny ekipan’ Andriantseheno Christian (Racl). Lalao natao ny alahady lasa teo, tao Douaisis France. Hotanterahina etsy amin’ny […]




