Auteur/autrice : Adnews

Nahitana 1 tapitrisa Ar : jiolahy iray voasambotra

Tra-tehaky ny fokonolona sy ny mpitandro filaminana ny mpamaky trano iray ikoizana tao Ambositra, afakomaly. Nihaodihaody nanerana ny tanàna, nampandre ny ma­nam-pahefana ny mponina. Na­tao avy hatrany ny vela-pandrika. Vokany, voasambotra ny lehilahy iray niaraka tamin’ny vola nitentina 1 661 000 Ar. Nahitana kavin’omby dimy koa teny aminy. Natao ny fanadihadiana, nilaza […]

Mpangala-bary: jiolahy maty voafira tamin’ny antsim-bilona

Maty tsy tra-drano ny mpan­gala-bary sarona tao An­driamifidy, fokontany Ate­tindravita, kaominina Ikala­lao, anatin’ny distrikan’Am­bo­himahasoa, ny alarobia 28 desambara teo. Tokony ho tamin’ny 10 ora maraina, na­haray antso avy amin’ ny ben’ny Tanàna ao an-toerana ny zandary fa nitrangana halatra vary tao anatin’ny fokontany. Nidina ifotony nijery izany niaraka tamin’ny mpitsabo […]

Fiara vaky kodiarana: olona enina naratra

Nitrangana lozam-pifamoivoizana teo Manakazo, fokontany Tsirarazana, kaominina Ankazobe, ny alakamisy teo tokony ho tamin’ny 02 ora tolakandro. Tra-doza tamin’izany ny taksiborosy iray mampitohy an’i Sambava sy ny Renivohitra. Vaky tampoka ny kodiarana aoriana an’ilay taksiborosy ka nidaboka tamin’ny arabe ny fiara. Vokany, naratra ny mpandeha miisa enina tao anatiny. Zazakely […]

Mamon-drongony : nidaroka sy nahafaty ny renibeny

Tra-tehaky ny polisy ilay zafikely voalaza ho nahavanon-doza ka nandatsaka ny ain’ny renibeny tao Ambatondrazaka, faritra Alaotra Mangoro. Voasambotra, afakomaly, tao amin’ny fokontany Ambodimanga, distrikan’Ambatondrazaka ilay lehilahy voatondro ho namono ny renibeny. Mamon-drongony no nisetrsetra ary nidaroka io ramatoa be io ity zafikeliny ity. Araka izany, nampandre polisy ireo manodidina […]