Auteur/autrice : Adnews

Jery taratra… Mijery lavitra hatrany…

  Mijoro ny Vondrona maroloko mpanome tanana ny filoha (VMMTF), nilaza fa mahahenika ny faritra 23. “Olon’ny fahendrena sy fifankatiavana isika Malagasy, ka izany indrindra no tokony hamerenana ireo soatoavina ireo”, hoy ny filohany, Rasolofonoroniaina Julia (Mishah). Hanelanelana ary hanampy amin’ny fikaroham-bahaolana eo amin’ny vahoaka sy ny mpitondra ny vondrona, hampirindra […]

Asan-jiolahy: Karohina i Tintin, kambana amin’i MadMax

Ifampitadiavan’ny polisy i Tintin, kambana amin’i MadMax. Tsy ilay mpihira malaza akory fa ilay jiolahy maty voatifitra ny alin’ny 24 desambra 2022 teo. Jiolahy mpamerin-keloka izy mirahalahy kambana. Samy raindahiny amin’ny fanafihana mitam-piadiana, na tsy mbola ampy taona aza. Voatifitra ny alin’ny 24 desambra i MadMax. Taorian’izay, nampandosirina na nanjavona […]

Tratry ny farany e !

Hivalona anio ny taona 2022, arabaina nahatratra ny farany e ! Nmbinin-janahary ka velon’aina. Mbola hiriaria miaraka amin’ny fianakaviana sy ny mpiray tanindrazana. Hanaraka ny taona madiva ho tapitra anie ny ratsy rehetra niainana, ny sedra mafy nolalovana, ny fahantrana tsy maintsy nozakaina. Samia ho tafita soa, hahatsipaka ny anio daholo. Firifiry […]

Taona 2023: Iandrandrana fiainana vaovao

Taom-baovao, fanantenana vaovao ! Tsy hoe miandry fahagagana fa miandrandra fiainana tsaratsara kokoa. Mifampirary soa ny mpianakavy sy ny mpiray tanàna, ary ny mpiray tanindrazana. Ho dobom-pitahiana ny taona 2023. Hanao ahoana ny taona vaovao 2023? Misy ha­trany ny tombatombana, saingy tsy misy mahafantatra izay havoakan’ny ampitso: tsy azo ireharehana, […]

Tselatra

Raim-pianakaviana iray nanadio lava-drano no maty tototry ny biriky tetsy Alakamisy-Anosiala, omaly. Tsy nanampo na inona na inona, nidina tao anatin’io lava-drano io ity lehilahy ity. Tampoka, nilatsahan’ny biriky avy any ambony izy. Nisy nilaza fa nihotsaka ny vavan’ny lavaka ka nianjera taminy. Ny hafa nitantara fa, nampidina biriky tamin’ny […]