Raha mbola eto Antananarivo, tsy nisy tsy nahatsikaritra ireo mpitsoka mozika etsy sy eroa. Nihamaro izany amin’izao vanim-potoan’ny fety izao, ary mbola hihabetsaka amin’io fifampiarahabana noho ny taom-baovao io. Fahasahirana anefa ny ao ambadik’izany… Nahitana azy ireny foana isan-taona, rehefa manakaiky ny fetin’ny faran’ny taona, fa indrindra ny voalohan’ny taona. […]
Auteur/autrice : Adnews
Raholinarivo Paolo : “Mila filaminana ny vahoaka”
“Andao mba hifanampy, rehefa tsy afaka hanome na inona na inona ny vahoaka ho hanina amin’ny fety isika: mba hampisakafoantsika filaminana izy”, hoy ny filohan’ny Sendikàn’ny adminisitratera sivily (Synad), Raholinarivo Solonavalona Paolo, amin’ izao fetin’ny faran’ny taona izao. Mba ny filaminana izany no ataony sakafo. Satria miakatra dia miakatra ny […]
Fahatongavan’ny taona vaovao: nirary soa ho an’ny Malagasy ny filoha teo aloha Ravalomanana
Efa niarahaba sahady ny malagasy amin’izao hahatongavan’ny taona vaovao 2023 izao ny filoha teo aloha, Ravalomanana Marc. Nirary soa sy fahombiazana sy fanantenana ho an’ny vahoaka tenany. Niantsoany koa mba tsy ho kivy na ho ketraka fa mbola hisy fararany izao. “Manàna fanantenana ary minoa fotsiny ihany fa aza matahotra. […]
Fikaonandoham-pirenena : miandrandra sy manantena ny FFKM ny KMSI
Nambaran’ny mpitarika ny Komity miaro ny soa iombonana (KMSI), Randrianirina Jean Ignace na Ramasy fa miandrandra sy manantena ny FFKM izy ireo. Efa nanao ny dingana sy ny ezaka rehetra izy ireo eo anivon’ny Vondrona Panorama sy ny maha mpikambana azy ireo eo anivon’ny Komity teknika mpanomana ny fifidianana (CMT) […]
Pr Andrianarisoa Ange : “Ilaina ny fifampiresahana hamahana olana”
Nitondra ny heviny, manoloana ny raharaham-pirenena ny Arema. Nambaran’ny sekretera nasionaly lefitra, ny Pr Andrianarisoa Ange fa anisan’ny nataon’ny amiraly Ratsiraka ny nampivondrona ireo hery politika rehetra teo anivon’ny FMDR, tamin’izany. “Anisan’ny mpikambana tao ny eo anivon’ny MFM. Tsy misy zavatra vita izany raha tsy eo ny fifampiresahana”, hoy izy. […]




