Auteur/autrice : Adnews

Efitranon’i Messi : nataon’i Qatar tranombakoka

Mbola manakoako any Qatar, hatramin’izao ny akon’ ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany taranja baolina kitra «Mondial 2022”, in­drindra fa ny nahazoan’i Arzantina, ny amboara fa­nin­telony. Anisan’ny mahasarika ireo mpizahatany ton­ga any an-toerana, amin’izao fotoana izao, ny mitsidika ny efitrano nipetrahan’i Lionel Messi. Raha tsiahivina, nito­e­tra tao amin’ny Oniver­si­ten’i Doha […]

Basikety Analamanga : nilalao tany Antsirabe

Ho fanohizana sy fanamafisana ny fiaraha-mia­san’ny ligin’Analamanga basikety, amin’ny ligim-paritra hafa, nanafika tany Antsirabe ny ekipan’Ana­la­manga voafantina, niatrika lalao ara-pirahalahiana. Na­m­baran’ny filohan’ny ligin’ Analamanga, Andria­tsima Hery fa natao izao fifanakalozana izao hampitomboana ny lentan’ny mpilalao, na ny mpilalaon’i Vakinankaratra izany, fa indrindra ny mpilalao avy eto Analamanga. Eo ihany koa […]

Kianja Rabemananjara : hametrahana bozaka vaovao

Noho ny fitarainan’ny mpijery baolina kitra ao Ma­ha­janga, mahakasika ny fa­ha­simban’ny kianja Rabe­ma­nanjara, namaly ny hetahetan’izy ireo ny filohan’ny Repoblika Malagasy, Rajoe­lina Andry, amin’ny fanamboarana izany. Asa izay efa natomboka tamin’ny alatsinainy 26 desambra lasa teo. Marihina fa ny tomponandraikitra ao amin’ny ki­anja Rabemananjara OGSR (Organe de Gestion de Stade […]

Judo – Mada 2022: niakatra ny lentan’ireo mpifaninana

Nafana ny famaranana, omaly, nandritra ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, taranja Judo. Nisesisesy ny Ippon teo amin’ny sokajy Minimes. Hitohy anio, etsy amin’ ny kianja mitafon’ Ankorondrano, ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, taranja Judo. Ny sokajy Juniors sy Cadets no hiaka-tsehatra anio, raha toa ka efa nahavita ny anjarany, ny […]

Ihorombe : roa lahy nahatrarana rongony 12 gony

Voasambotry ny zandarimariam-pirenena ao Iakora, distrikan’Ihorombe ny lehilahy roa nitondra rongony, afakomaly. Nahazo loharanom-baovao tamin’ny olona tsara sitrapo ny lehiben’ny zandary ao an-toerana, ny 22 de­sambra lasa teo. Voalaza fa misy andian’olona maromaro milanja rongony any, ka handalo ao amin’ny kaominina. Nandray fepetra avy hatrany ny mpitandro filaminana vantany vao […]