Auteur/autrice : Adnews

Faran’ny taona: mila mailo amin’ny sakafo

Nanamafy ny fiarovan-tena tokony hataon’ny rehetra ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, tamin’ity herinandro ity, amin’izao ankatoky ny fety izao. “Maro rahateo ireo aretina sy loza mpiseho rehefa vanim-potoanan’ny fety tahaka izao ka samy tompon’andraikitra amin’ny fahasalamany avy ny tsirairay”, hoy izy. Anjaran’ny mpiasan’ny fahasalamana kosa ny manao izay azo atao rehetra […]

Fanazavan’ny Croua : fanoherana ny fanorenana tsy ara-dalàna no natao

Nitondra fanazavana ny tale lefitry ny CrouA, Ra­vonjison Tamby, omaly, teny Tsimbazaza, mikasika ny fanenjehana ny tale amin’ny fiarovana ny faritry ny oniversite. Notoriana ny mpitantana ny CrouA fa nolazaina fa nanao fanimbana fananan’olona. Nanamarika anefa izy ireo fa fanakanana ny fananganana fotodrafitrasa tsy ara-dalàna mba tsy hiorina ao anatin’ny […]

Fiatrehana ny loza : miara-miasa ny CUA sy ny BNGRC

Nanatanteraka fanazaran-tena niaraka ny Kaominina Antananarivo Renivohitra sy ny BNGRC, omaly, tao amin’ny Lapan’ny Tanàna Ana­lakely sy teny amin’ireo fo­kontany valo anivon’ny Bori­borintany voalohany sy faha-4. Fampiharana ny fanazaran-tena amin’ny fiatrehana ny loza ho an’ireo mpisehatra rehetra isan-tsokajiny na SIMEX « SIMulation EXerci­ce » no natao tamin’izany, hoy Andrianatoandro Sitraka […]

Distrikan’Ikalamavony: olona roa ahina ho matin’ny pesta

Mampiahiahy fa toy ny trangan’aretina pesta no nahafaty ireo olona roa ao Ikalamavony. Tsy mbola voaporofo anefa izany fa manohy ny fitiliana sy ny fanadihadiana ireo tompon’andraikitra eny ifotony. Nisy olona roa namoy ny ainy vokatry ny trangan’aretina mampiahiahy tao amin’ny tanà­nan’Ambala­manantsara, fo­kon­tany Ivozo­na, kaominina Mangidy ao amin’ny distrikan’ Ikalamavo­ny, […]

Tsingerin-taona faha-50: hanao hetsika ny elatra MFM Rakotovazaha

Tratry ny fizarazarana na samy eo anivon’ny fanoherana aza. Hifamotoana etsy amin’ny hotely iray etsy Anosy, anio tontolo andro, ny elatra MFM, miara-dia amin-dRakotovazaha Olivier, filoha nasionaly vonjimaika. Hana­marika ny faha-50 taonan’ny antoko koa izy ireo. Hisy ny fotoam-bavaka sy fanehoana an-tsary ny lasan’ny “Ma­fa­na”, hatramin’ny niorenany amin’izany. Eo koa […]