Auteur/autrice : Adnews

Nanenjika tavoahangy nisy jorery : zazavavikely telo maty an-drano

Maty nalentiky ny rano ny zazavavikely telo. Nanenjika tavoahangy nisy jorery izy ireo, tao Ambavarano Antsahatanteraka, kaominina Fenoarivobe. «Nahita tavoahangy nisy jorery izay nentin’ny rano izy ireo tamin’ny 12 ora atoandro ka nanenjika izany. Tsy tafaverina intsony anefa», hoy ny nanatri-maso. Nahavoaray antso avy tamin’ny olona tsara si­trapo ny Jly […]

Fiara nivadika : nalefa hopitaly avokoa ireo naratra

Nalefa nihazo ny hopitaly ao Fianarantsoa ny roa tamin’ireo olona efatra tra-doza omaly tamin’ilay fia­ran’ny Fondation médicale Ampasimanjeva, afakomaly. Ny iray tamin’ireo masera voa mafy tsy nahatsiaro tena kosa nalefa nihazo ny renivohitra raha nijanona nanohy ny fitsaboany ao Mana­ka­ra kosa ny iray hafa. Tsihivina fa tra-doza teo amin’ny 10 […]

Fotodrafitrasa eny ifotony: miroso ny fanamboaran-dalana Mahajanga – Amborovy

Miroso miandalana ny fanamboaran-dalana RN54 Mahajanga tanàna, mihazo ny eny amin’ny seranam-piaramanidina, Amborovy. Efa maherin’ny 35% ny fahavitan’ny asa amin’izao fotoana izao. Izany hoe eo anelanelan’ny Galana Tsara­mandroso sy “Ponceau” fi­vi­liana mihazo ny any amin’ ny Mazava huile. Samy ahitana izany fa­na­mboaran-dalana izany avokoa, miainga eo amin’ny Ji­rama , Amboboka. […]

Nahazo mari-pahaizana : miaramila 109 nahavita fiofanana

Navoaka tamin’ny fomba ofisialy tamin’ny alalan’ny fanolorana mari-pahaizana “Brevet militaire professionnel élémentaire” BMPE infanterie taona 2022 ireo miaramila an-daharana, om­a­ly, teny amin’ny cercle messe Fiadanana. Lanonana teo ambany fitarihan’ny Sous chef d’Etat major chargé de la chaîne opérationnelle eo anivon’ny Etama­za­o­ron’ireo Tafika, ny Jly Andriamasimanana William Michel. Taorian’ny fiofanana sivy […]

Maevatanana: lavon’ny zandary i Dadaky, dahalo raindahiny

Maty voatifitra omaly ilay malaso ikoizan’ny maro ao Maevatanana. Malaza ratsy amin’ny halatr’omby ny lehilahy ka saika handositra raha izy nanondro ny toerana misy ireo namany mpiara-dia aminy. Tapitra hatreo ny halatr’omby fanaon’i Da­da­ky, ilay dahalo mampitondra faisana ny mpi­ara-belona aminy ao amin’ny kaominina Maha­tsinjo, distrika Maevatanana. Maty voatifitry ny […]