Auteur/autrice : Adnews

« Volana iray, mpanoratra iray »: mitohy ny fampa­ha­­fan­ta­rana an’i Ira

Isam-bolana, mampahafantatra mpanoratra iray ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina. Amin’ny alalan’ilay hetsika « Volana iray, mpanoratra iray ». No­safi­diana tamin’ity volana de­sambra ity i Ira na Rasolo­herimandimby Eloi. Poeta sy mpanoratra ary mpampianatra izy. Nanomboka nanoratra ny taona 1986 ary isan’ireo mpikambana ao amin’ny Fa­ribolana Sandratra ihany koa nanomboka ny taona 1989. […]

“Art plastique”: niavaka hatramin’ny farany ny fampiratian’i Olivia Bourgois

Mbola tena maro tokoa ny mpanatalenta amin’izao fotoana izao. Tsy mifidy taona na saranga fa manana ny maha izy azy avokoa ny kanto vokarin’izy ireo. Samy manana ny mampiavaka azy nefa samy kanto sy mahafinaritra avokoa. Nifarana ny alarobia 21 desambra 2022, teny amin’ny “Fon­da­tion H” Andraharo Anta­nanarivo, ny fampiratina […]

Fiompiana : zana-trondro 3.000 narotsaka teny Ambohimarina

Fampiroboroboana ny fiompiana trondro anaty fefy mitsingevana eto Madaga­sikara. Tonga nandrotsaka zana-trondro miisa 3000 ma­hery, tao amin’ny fokontany Ambohimarina- Ambohidra­trimo, faritra Analamanga, ny fitantanana misahana ny fampamokarana ny aty rano ao amin’ny minisiteran’ny Jono sy ny toekarena manga (MPEB), niaraka tamin’ny tompon’andraikitry ny Fi­kam­banana iraisam-pirenena misahana ny sakafo (FAO) ary […]

Star – « Prix jeunes espoirs »: Atosika ny mpandraharaha madinika

Tafiditra avy hatrany afa­ka mandray anjara amin’ny fifaninanana «Prix Jeunes espoirs» ireo efatra voalohany teto Madagasikara, nifaninana tamin’ny «Prix Pierre Castel», andiany fahadimy. Nisolo tena an’i Madagasikara ny orinasa Ny Ako, taorian’ny fifantenana. Manatontosa ny « Prix Jeunes espoirs » ny vondrona Castel sy ny mpiray ombon’antoka aminy. Anton’ny fifantenana ny fandraisana […]

INSI: malalaka ny tsenan’ny informatika

Nanao hetsika, fifaninanana manokana, « Hackaton » ho an’ny mpianatra ao aminy, ny sekolim-pirenena ambony momba ny informatika (INSI) eny Ambanidia, ny 20 sy ny 21 desambra teo. Voakasik’ izany ny mpianatra ao amin’ny foibe fianaran’asa. Nilaza Andriamiadana Tantely An­toine, mpampianatra, fa natao ity fifaninanana ity, entina hampivelatra ny saina sy hampiroboroboana […]