Auteur/autrice : Adnews

“Vary tsinjo mifety”: entanina ny mpivarotra tsy hanararaotra

Natomboka omaly 21 desambra 2022 ny varotra “Vary tsinjo mifety” eny Alasora By Pass, Am­bohi­dahy Ankadindramamy, ary Manjakaray. Amidy 650 Ar ny kapoaka na 2275 Ar ny kilao. Nanapa-kevitra ny Mini­si­teran’ny Fampiroboroboana ny indostria, Varotra sy fanjifana (MICC) fa tanterahina miaraka amin’ny SPM (State Procurement of Madagascar) ny varotra “Vary […]

COI 40 taona: fiaraha-miasa aty amin’ny ranomasimbe Indianina

21 desambra 1982, feno 40 taona ny fanambarana amin’ny fomba ofisialy ny fisian’ny Port –Louis, midika ny fahaterahan’ny Komisiona ranomasimbe Indianina (COI) COI (Commission de l’Océan Indien), milaza ny fahavonana amin’ny fiaraha-miasa misy eo amin’ ny nosy telo : Maurice, Seychelles ary Madagasikara. Fivoriana voalohany tany Port-Louis, manamarika ny dingana […]

Fanapahan’ny HCC : “Tsy azo raisina ny fangatahana hevitra nataon’ny HCDDED”

Mitady hanakaiky ny “Mitombina fa tsy azo raisina” teo aloha ihany? No­valian’ny HCC, omaly, ny momba ny fangatahana hevitra, niainga amin’ny fitorian’ireo depiote napetraky ny Filankevitra ambony ho an’ny demokrasia sy ny tany tan-dalàna (HCDDED). “Tsy azo raisina izany”, hoy ny avy etsy Ambohidahy, namaly ny avy eny Soanierana. Nason­gadin’ireo […]

Manjelanjelatra !

Mianoka anatin’ny fetin’ny Noely tanteraka isika ankehitriny. Namaky lay ny fankalazana miezinezina ny Filoham-pirenena Rajoelina Andry. Mananjara samy mananjara ny mponin’ Anta­nanarivo. Tafiditra an-dapa, tsy misy sakana ny saramba­bem-bahoaka. Malalaka ho an’ny besinimaro tanteraka ny five­zi­vezena ao anatin’ny Lapan’Ambohitsorohitra. Vita ravaka tsara tarehy miaraka amin’ny hazavana tsy hita noanoa. Mambabo […]

Filoha Rajoelina Andry : miantso firaisankina sy fifankatiavana

Nosokafan’ny filoha Rajoelina Andry, ho an’ny daholobe ny Lapam-panjakana Ambohitsorohitra. Ho mariky ny fankalazana ny Noely anatin’ny fifankatiavana izany. Navoitran’ny filoha Rajoelina tamin’ny lahateniny fohy ny fampahatsiahivana ny Noely. “Natao hankalazaina anaty fifankatiavana sy firaisankina ary anatin’ny fahazavana izany. Ny hazavan’i Jesoa anie hanazava ny fontsika sy ny firenentsika ahafahana […]