Niampy dimy ny isan’ny toerana famokarana zana-kazo vaventy nataon’ny fanjakana. Manampy ny any Atsinanana sy ny any amin’ny toera-kafa izany, hiatrehana ny taom-pambolena 2022-2023. Tonga nijery izany tany Toamasina ny minisitry ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra (Medd), Rtoa Vina Marie-Orléa, ny herinandro lasa teo. Nankasitraka feno ity finiavan’ny […]
Auteur/autrice : Adnews
Asa avotra mirindra-Fid: maherin’ny 4.400.000 ny mpahazo tombontsoa
Fandaharanasa tanterahin’ny Tahirimbola ho an’ny fampandrosoana (Fid) ny Asa avotra mirindra, tohanan’ny Banky iraisam-pirenena ara-bola. Maromaro ny tetikasa entina hanatsarana ny fari-piainan’ny mpahazo tombontsoa, hametrahana tontolo miaro ny tontolo iainana sy hisian’ny fitoniana ara-tsosialy. Tena kendrena ny fianakaviana marefo, indrindra ny vehivavy. Misy ny fanampiana ara-bola, ny tohana hitantana tetikasa […]
Banky Iraisam-pirenena: avy amin’ny tontolo iainana ny 50%-n’ny Harinkarena faobe
Harena eto an-tany ny tontolo mananaina. Mitana toerana manan-danja ho an’ny fampandrosoana izany, saingy tandindomin-doza vokatry ny fihazakazahan’ny fahasimbany. Namoaka tatitra ny tale jeneraly misahana ny politikam-pampandrosoana sy ny fiaraha-miombon’antoka ao amin’ny Banky Iraisam-pirenena, Mari Pangestu, fa manafoana ny tahiry karbona ny fandripahana ny ala, manafaingana ny fiovan’ny toetr’andro. Nitroka […]
Art plastika : mamarana ranty i Olivia B.
Hiavaka hatramin’ny farany ny fampirantina “Cellules humaines, c’est lui l’humain”. Tanterahina eny amin’ny “Fondation H” Andraharo Antananarivo, ny alarobia 21 desambra 2022, ny lanonana famaranana ny fampirantinan’i Olivia Bourgois, mampiseho ny dingana sy ny lalam-piainan’ny olombelona amin’ny alalan’ny fako. Ireny no natambatr’i Olivia nahazoana singa nandravahana ny fampirantina. Hisy ny […]
FCDR – SR Production : raketina an-tsarimihetsika ny tantaran’ny Amiraly Didier Ratsiraka
Nambara, omaly, tetsy amin’ny Radisson Blu Ambodivona fa : «Goavana ny tetikasa iarahan’ny tranom-pamokarana horonantsary sy sarimihetsika SR Production sy ny fikambanambe Fondation Céline et Didier Ratsiraka (FCDR)». Horaketina an-tsarimihetsika mitohy ny tantaran’ny Amiraly Didier Ratsiraka ary vinavinaina ho tafavoaka amin’ny faran’io taona ho avy io ny andiany voalohany. Horonantsary […]




