Fahiny fahagola, tsy mba nampiasa soratra an-taratasy ny Malagasy fa nanaja fatratra kosa ny teny nifanaovana. Antony maro sy mafonja ny nahatonga izany. Tao ny tsy fisian’ny soratra. Tahotra an’Andriamanitra Andriananahary. Tahotra ny tody sy ny tsiny ary ny ozona. Fifamatorana sy fihavanana tsy tiana ho rava… Niova tsikelikely izany […]
Auteur/autrice : Adnews
Hiverina an-tsehatra … :“Efa misy tetikasa ato ho ato”, hoy i Lalie
Aman-taonany maro no tsy niaka-tsehatra i Lalie. Tsy niala lavitra tamin’ny mozika anefa izy nandritra izany. Tapa-kevitra ny hiverina tanteraka kosa ity mpanakanto ity amin’izao… “Amin’io seho io no ahitantsika taratra ny tohiny”, hoy i Lalie. Fampisehoana izay hataony ny zoma 23 desambra izao, etsy amin’ny Le Galet Manakambahiny io […]
Sendikan’ny mpiasa Saps : “Takinay ny hialan’ny tale jeneralin’ny Instat”
Tonga amin’ny tsy azo anoharana intsony ny fitakiana. Naneho ny heviny, momba ny olana eo anivon’ny Ivontoeram-pirenena misahana ny antontanisa (Instat) ny “Syndicat autonome du personnel de la statistique- Saps”, ny zoma teo. Nohitsin’izy ireo fa tsy miaro velively ny tale jeneraly ity sendika ity. “Ao an-damosin’ireo mpiasa niharan’ny antsojay […]
Fampandrosoana : mamondrona ny heriny ny Betsi-Groupe
Miezaka ny hametraka amin’ny toerany ny firaisankinany ireo tanora zanaky ny faritanin’i Fianarantsoa, eo anivon’ny Betsi-Groupe. Tafiditra amin’ny fampandrosoana ny any an-toerana izany. Anisan’ny efa nataon’izy ireo ny faran’ny herinandro teo ny hetsika koltoraly sy fanatanjahantena ka nampiainana mivantana ny lalao famaranana ny “Mondial” ny alahady teo. Notanterahina teo amin’ny […]
Fanonganana ny birao maharitra : nampitandrina ireo depiote namany Ramaherijaona
“Tsy fotoana hanakorontanana ny birao maharitra izao”, hoy ny depiote IRD, voafidy tany Tsiroanomandidy, Ramaherijaona Hajanirina. Miasa sy miezaka mitady ny hampihodinana io andrimpanjakana io izy ireo. Manana ny fizakan-tena amin’ny tetibola ny Antenimierampirenena. Misy ireo depiote mikononkonina hanongana ny birao maharitra ary mivoy izany eny amin’ny haino aman-jery. Zony […]




