Auteur/autrice : Adnews
Soatoavina sy ny 8 marsa : Manome hasina ny vehivavy ny Malagasy
8 marsa, « Andro iraisam-pirenena ho an’ny zon’ny vehivavy », araka ny tapaka teo anivon’ny Firenena mikambana ny taona 1977. Nanomboka teo, hevi-diso maro no nahely… Saika niainga avy any ivelany ny ankamaroan’ireny. Taitra sy nampiaka-peo ny vehivavy eto Madagasikara. Raikitra ny fitakiana fitovian-jo amin’ny lehilahy. Teo amin’ny sehatry ny asa, nodradradradraina […]
Tarika AmbondronA – 25 taona: Hatrany amin’ny 2027 ny fankalazana
Tsy vita anatin’ny herintaona… Hotohizana hatramin’ny 2027 mba hahafahan’ny tarika AmbondronA miverina amin’ireo toerana efa nanaovany seho, ny fankalazana ny 25 taona an-tsehatra. Hiverenena avokoa ireo faritra nanamarika ny tarika. Vaovaon’ny tarika AmbondronA, omaly. Saika ireo tanàn-dehibe manerana an’i Madagasikara izany, ankoatra ny any amin’ny faritra Sava sy Fort-Dauphin, noho […]
Fiaraha-miasa : Hamaha ny olan’ny herinaratra ny Japoney
Nambaran’ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Razanamahasoa Christine, fa zava-dehibe ny lanonana fanaovan-tsonia fiaraha-miasa amin’ny fitondram-panjakana japoney, omaly, teo anivon’ny minisitera. Miompana amin’ny famatsiam-bola 68 miliara Ar izany. « Mitondra vahaolana amin’ny ampahany ny olana nitarainan’ny vahoaka izany. Anisan’izany ny olan’ny herinaratra ka anisan’ny hisitraka izany ny ao Toamasina », hoy izy. […]
INDRAY MIJERY
49% ny vehivavy manambady eo anelanelan’ ny 15 taona hatramin’ny 49 taona ihany no fantatra fa mampiasa ny fomba fandrindram-piterahana. Mbola maro, araka izany, ireo tsy resy lahatra na tsy mahafantatra tsara ny tombony azo amin’ny fampiasana azy ireny. Efa mihamaro kosa ny tanora mazoto miaro tena tonga manatona tobim-pahasalamana. […]




