Niala teto Madagasikara , omaly tamin’ny 1 ora maraina, ho any Tonizia, ny Barea. 34 ny isan’ireo olona mandrafitra ny delegasiona, ary ny 23 amin’izy ireo mpilalao. Hiatrika ny lalao roa, fanomanana ny Chan 2023, ny 6 sy 9 janoary, no anton-dia amin’izany. Niainga omaly tamin’ny 1 ora maraina ho […]
Auteur/autrice : Adnews
Taom-baovao : maro ireo vehivavy very poketra tany am-piangonana
Maro ireo renim-pianakaviana sy tovovavy nitaraina ho very poketra tany am-piangonana nandritra ny fotoam-pivavahana ny fiandohan’ny taona vaovao ny alahady 01 janoary 2023 teo. Ireo fiangonana lehibe teto an-drenivohitra no tena nahazoana fitarainana sy tatitra manokana momba izany. Nandritra ny fotoana fanatazana ny rakitra sy fandraisana sakramentana no tena nanaovan’ireo […]
Jly Serge Gellé : “Omena tombon-dahiny ny tsara efa vitan’ny zandarimaria”
« Tsy mioiva ireo toromarika efa nomena hatrizay fa ampiana ny capitalisation (fitandroana, fanangonana sy fanohizana ary fanomezana tombon-dahiny ireo tsara rehefa efa vitan’ny zandarimaria nandritra ny vanim-potoana niorenany »,hoy ny Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena, ny Jly Serge Gellé nandritra ny fiarahabana tratry ny taona 2023 niarahany tamin’ny kaomandin’ny zandarimariam-pirenena (COMGN) teny […]
Toy ny fanaony isan-taona : manatona mirary soa ireo polisy ny minisitra
Toy ny isan-taona, apetraky ny minisitry ny Filaminam-bahoaka (MSP) ho soatoavina ny fidinany miaraka amin’ireo mpiara-miasa aminy miarahaba sy mirary soa ny polisim-pirenena eny amin’ny toeram-piasana misy azy avy. Nanombohana izany ny Hery vonjy taitran’ny polisy eny Antanimora, nitohy teny amin’ny commissariat central Tsaralalana, teny amin’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka Anosy, teny […]
Fotodrafitrasa ao Toamasina: efa vita ny ampahany voalohany amin’ny Miami
Miroso ny fanatanterahana ny tetikasan’ny filoham-pirenena. Anisan’ny efa misongadina ao Toamasina ny fotodrafitrasa hialana voly sy ho an’ny fanatajahantena ary koa ny natokana ho an’ny mpanao asa tanana. Efa vita ary natao ny alakamisy 29 desambra 2022 teo, ny fandraisana ara-teknika ny ampahany voalohany amin’ny tetikasa Miray hina ary mifankatia […]





