Auteur/autrice : Adnews

TSELATRA

Zaza menavava hita faty nifono tao anaty harona plastika teny amin’ny Makis Andohatapenaka, omaly. Ahina ho narian-dreniny ilay zaza ka natsipiny teny amoron-dranon’Ikopa. Hitan’ny mpandalo ny harona plastika ka nampandre ny polisim-pirenena nisahana ny fifamoivoizana tsy lavitra teny an-toerana izy. Trano efitra telo ravan’ny afo tao amin’ny fokontany Tsimenatsy I […]

Kaominina Mahitsy: Razana 43 lasan’ny olon-dratsy

Tsy mety foana ny tranga vaky fasana ao anatin’ny distrikan’Ambohidratrimo. Fasana iray niharan’ny asa ratsy nataon’ny jiolahy tao amin’ny fokontany Mananosy Ambohimanoa, kaominina Mahitsy, ny alin’ny alarobia 12 aogositra lasa teo. Varavaram-pasana efa nitongilana no hitan’ny mpandalo iray. Nam­pandre avy hatrany ny tomponandraikitry ny fokontany sy ny tompom-pasana izy. Niroso […]

Antehiroka : Lehilahy niharan’ny fitsaram-bahoaka

Naratra mafy, vaky ra ny loha sy ny tavan’ny lehilahy iray saron’ny fokonolona nanao asa ratsy teny Ambatolampy Antehiroka, afakomaly. Nivezivezy tao amin’ny toerana natokana hijanonan’ny fiara ilay lehilahy. Nanararaotra nisokitra fiara teny an-toerana izy kanjo tsikaritry ny mponina manodidina io fihetsiny io. Nikasa hangalatra tao anatin’ny fiara izy, raha […]

Antanetibe-Faratsiho : Maty novonoin-dreniny i Lucas kely, zaza iray volana

Tompon’antoka tamin’ny fahafatesan’i Lucas kely ny reniny niteraka azy sy ny mpimasy iray tao Antanetibe, distrikan’i Faratsiho. Notanana am-ponja ireo olona telo voasaringotra, afakomaly. Natsikafin’ny fanadihadiana nataon’ny mpitandro filaminana fa ny renin’i Lucas kely ihany no namono nahafaty azy tao Am­batomitety, fokontany Anta­netibe, distrikan’i Fara­tsiho, ny 31 jolay lasa teo. […]

Handball – Mada «sénior 2026»: Nisy fiovana ny datin’ny fifaninanana

Raha efa voalahatra ho amin’ny faha-29 aogositra ho avy izao, ny hanatanterahana ny fifaninanam-pirenena ho an’ny sokajy zokiny “senior”, lahy sy vavy, eo amin’ny taranja handball, dia nisy fiovana izany. Araka ny fampitam-baovao navoakan’ny Federasionina malagasin’ny handball (FMHB), tao amin’ny pejin’ny tambajotran-tseraserany, ny talata lasa teo, nahemotra ho amin’ny 31 […]