Auteur/autrice : Adnews

Tsipy kanetibe : Anaty ekipa ry Liva sy Baloty ary Tendry sy Lova

“ Ela ny ela, fantatra ihany…”. Namoaka ny ana­ran’­ireo mpilalao efa-dahy hiaro ny voninahi-pirenena malagasy mandritra ny fia­diana ny amboara maneran-tany izay hatao any Thaïlande, ny volana novambra ho avy izao, ny Federasionina malagasin’ny tsipy kanetibe. Fan­tatra, omaly, tao amin’ny pejin’ izy ireo fa Rakotomanana Olivier na i Liva, avy […]

Ping-Pong – Afrique 2026 : Mpilalao valo solo­tenan’i Madagasikara

Anisan’ireo firenena hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika 2026, eo amin’ny taranja tenisy ambony latabatra “Ping-pong” i Madagasikara. Fifaninanana ho an’ny sokajy “senior” lahy sy vavy tanterahina any Maroc, ny 18 – 25 oktobra ho avy izao. Hisy ny lalao ho an’olon-tokana, ny olon-droa ary ny isan-tarika. Valo mianadahy […]

Handball malagasy : Nanao tatitra ny zava-bitany ny Federasionina

Nanao tatitra ny asa vitany nandritra ny sivy volana nitantanany, tetsy Mahamasina, omaly ny Federasionina malagasin’ny handball. Be ny vita fa maro ny fifaninanana iraisam-pirenena nandraisan’ny Akio anjara. Namoaka ny tatitry ny asany tao anatin’izay sivy volana nitantanana ny taranja handball izay ny Federasionina malagasin’ny handball, izay tarihin-dRa­tsimandao Andriamanga, omaly, […]

TSELATRA

Voasambotry ny polisy ny jiolahy nangalatra moto tao Miadana, kaominina Alasora, afakomaly. Nan­dositra tany Antsirabe izy taorian’io. Nanao fanarahan-dia ny mpitandro filaminana ka tratra ity mpangalatra ity. Notanana vonjimaika any am-ponja, afako­maly, ireo roa lahy sarona nanao asa fanendahana teny Ambohitrarahaba. Vehivavy miisa roa nendahin’ireo olon-dratsy. Nifanena tamin’ny mpitandro filaminana […]

Namono mpivady tetsy Antehiroka: Voasambotra ilay lehilahy nahavanon-doza

Nosamborin’ny polisy miasa ao Toamasina, omaly, ilay lehilahy voatondro ho namono nahafaty ilay lehilahy frantsay sy ny vadiny. Tao­rian’ny tranga vono olona niseho tao amin’ny fokontany Amboaroy, kaominina Antehi­roka, ny sabotsy 10 oktobra lasa teo, nanao fikarohana tamin’ny alalan’ny fanangonam-baovao ny mpitandro filaminana. Naharay loharanom-baovao marim-pototra izy ireo fa nandositra […]