Auteur/autrice : Adnews

Fandalovan’ny Gezani : Simba 98% ny taribim-pifandraisan-davitra

Lasibatry ny rivodoza farany teo ireo fotodrafitrasam-pifandraisan’ny Yas Madagascar ao amin’ny faritra Atsinanana, potika hatrany amin’ny 98%. Voakasik’izany ny ao Toama­sina, Brickaville ary Foulpointe, ka niteraka fikorontanana tamin’ireo tolotra « fibre » sy ny antso. Manara-maso akaiky ny zava-misy, noho izany, ny ori­nasa ka nitondra vahaolana vonjimaika hiantohana ny fitohizan’ny […]

Fokontany madio: Fifaninanana hamerenana ny hasin’ny tanàna

Hanentanana ny olona handray andraikitra, sy hanova toe-tsaina ary hitandro ny fahadiovan’ny tanàna ny fifani­nanana fokontany madio. Hetsika atao mandritra ny roa volana, manerana ny fokontany eto an-dRenivohitra. «Antananarivo madio, fahadiovana fototry ny fahasalamana, antoky ny fampandrosoana ny firenena », ireo ny teny nen­tin’ny minisitry ny Rano, ny fanadiovana sy […]

TSELATRA

Vehivavy iray 35 taona, mpisoloky amin’ny alalan’ny vovo-bolamena sandoka, voasambotry ny polisy miasa ao Antaniavo, omaly. Voarebirebin’ny lehilahy miisa telo sy vehivavy iray, ny lehilahy 48 taona, omaly, tetsy akaikin’ny EPP Antanimena. Nandatsaka vola 5 000 Ariary tamin’ny tany ireo olon-dratsy, ary nahitana vovo-bola­mena tao anatiny. Nokasain’izy ireo hamidy 400 […]

Ambohimanga Rova : Olona 26 tratran’ny fahapoizinana ara-tsakafo

Nahitana trangana fahapoizinana ara-tsakafo indray teny amin’ny fokontany Ia­voambony, kaominina ambanivohitra Ambohimanga Rova, distrikan’Antananarivo Ava­radrano, nanomboka ny sa­botsy lasa teo. Am-polony ireo narary vokatr’izany, ny alahady lasa teo. Tafakatra 26 ireo olona marary sy manaraka fi­tsaboana any amin’ny hopitaly Anosy Avaratra, hatramin’ny talata lasa teo, raha ny tatitra voaray avy […]

Nanao fisavana hosoka: Olona dimy naiditra am-ponja

Olona miisa dimy nanao fisavana hosoka naiditra vonjimaika any am-ponja, taorian’ny fitsarana azy ireo, omaly. Nanao hosoka nandritra ny fanatanterahana ny fisavana tamina Vondron’orinasa lehibe iray teto Antananarivo Reni­vohitra ireo olona miisa dimy ireo. Tsy nitondra fahazoan-dalana ara-dalàna izy ireo ary niditra an-keriny tao amin’io orinasa voakasika io. Nalain’ireo olona […]