Auteur/autrice : Adnews

Fanolanana ankizy tsy ampy taona: Mendrika famosirana ireo nahavanon-doza

Anisan’ny sazy tsara hampiharina ny famosirana ho an’ireo olona nahavanon-doza nanolana ankizy tsy ampy taona. Mafy loatra ny takaitra entin’ireo ankizy ary tsy tafarina ny ratra ara-batana sy ara-tsaina aterak’izany. Manoloana ny firongatry ny fanolanana ankizy tsy ampy taona sy ny fanararaotana ara-nofo mahazo azy ireo dia nilaza ny so­lombavambahoakan’i […]

VAOVAO TAMBATRA

Mitohy ny fanamboaran-dalana eto an-dRenivohitra sy ny manodidina. Nanomboka ny faran’ny herinandro teo ny asa, toy ny eny amin’ny lalana RR05 Ambohimanambola–Masindray. Vita ny «radier», mandeha ny fanaovana ny rarivato miaro ny fantsona fikorian’ny rano. Mandeha ny asa eny amin’ny vahilava Anosizato, Andohatapenaka, Ampasika, Andoha­tapenaka Makis. Miverina miandalana ny asa […]

Toamasina : Niaka-bidy avo telo heny ny kojakoja fanaovan-trano

Miaina tanteraka anaty fahasahiranana ny mponina ao Toamasina. Mavesatra ny takaitra navelan’ny rivodoza Gezani, ny 10 febroary teo, ary tena mafy ny fanarenana ireo fotodrafitrasa simba. Manodidina ny 95% ny tokantrano potika tanteraka. Tsa­pan’ny mponina fa anisan’ny rivodoza tena nahery vaika iny rivodoza iny. Tena maha maika ny mponina amin’izao […]

Fanavaozana : Niova famantarana ny Minae

Nampahafantarina ny sabotsy teo, ny famantarana vaovao (logo) ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana (Minae). Nambaran’ny talen’ny Kabinetra ny minisitera, Ramanantsoa Sata Mihary Tiana, fa noraisina ity fepetra ity satria tafiditra ao anatin’ny ainga vao ho an’ny fanavaozana ihany koa. Sarotra ny safidy, saingy tsy maintsy misy ny mahazo ny […]

Minae sy ny Com’on Holding : Velarantany 150 000 ha vaovao hambolena vary an-tanety

Ho hampiharana eto Madagasikara ny fambolem-bary an-tanety hampiasana fitaovana vaventy. Faritra telo ny hanaovana ny tetikasa andrana, ary hitarina any an-kafa izany avy eo. Vita sonia, ny sabotsy 14 febroary teo, ny fifanarahana fiaraha-miasa eo amin’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana (Minae) sy ny orinasa Com’On Holding avy any Côte […]