Anisan’ny sazy tsara hampiharina ny famosirana ho an’ireo olona nahavanon-doza nanolana ankizy tsy ampy taona. Mafy loatra ny takaitra entin’ireo ankizy ary tsy tafarina ny ratra ara-batana sy ara-tsaina aterak’izany.
Manoloana ny firongatry ny fanolanana ankizy tsy ampy taona sy ny fanararaotana ara-nofo mahazo azy ireo dia nilaza ny solombavambahoakan’i Betafo, Fiarova Céléstin, fa tsy ampy ny fampiharana ny lalàna sy ny fampahafantarana izany.
Vao novolavolaina ny lalàna momba ny famosirana ireo olona manolana ankizy tsy ampy taona dia efa maro no mitroatra. Resahina ny zon’olombelona ary arovana ireo nahavanon-doza fa lazaina fa tsy mifanaraka amin’ny zo maha olona izany.
Tena ny hoavin’ilay ankizy niharan-doza mihitsy anefa no voatohintohina. Tena mikorontana ny sainy ary simba ny vatany rehefa voaolana izy. Manaraka hatramin’ny ainy mihitsy aza ho an’ireo ankizikely sy zaza iharan’izany. Tsy mba misy mihevitra ny amin’izany fa ny fanoherana ny fandaniana ilay lalàna no natao. Famoahana taratasy milaza fa olona adala ilay nanolana mbola ady fiadin’ireo mpiaro ny ratsy koa izany.
“Rehefa resy lahatra ny olona fa mafy ny manan-janaka na havana voaolana sy ny fanarenana azy ireny dia mety hahazo fankatoavana ihany ilay lalàna. Rehefa hotsapan’ny mpanolana ihany koa ny hamafin’ny famaizana dia mety hiteraka tahotra sy fifehezan-tena ho azy ireo izany. Tsy mbola manomboka akory ny fampiharana ny lalàna dia efa zon’olombelona no voizina. Fa ahoana kosa ny zon’ireo ankizy voaolana?”, hoy hatrany ny solombavambahoaka Fiarovana Céléstin.
Ilaina hamafisina ny fampahafantarana ireo karazan-dalàna efa misy. Fanentanana hatrany ambanivohitra rehetra any ary arangaranga ny sazy ho fefy sy hampihemotra ireo mpanao ratsy.
Tokony hiady mafy ihany koa ireo mpiaro ny zon’ny zaza sy ny ankizy manoloana ny firongatry herisetra sy ny fanararaotana ara-nofo, indrindra ny fanolanana mahazo azy ireo. Ankoatra ny ratra sy takaitra azon’ny vatana dia simba ihany koa ny sainy ary misy tahotra sy sakana lalina entiny mandrakizay vokatr’ireny.
Tatiana A




