Lalana mirefy 17 km miditra any amin’ny valanjavaboaharin’i Mantadia, ao Andasibe, no nasiam-panamboarana, ny faran’ny herinandro teo. Hitombo ny Malagasy mpizahatany hihanoka ny harena voajanahary. Nifarimbona nanamboatra ny lalana 17 km mankany Mantadia ny minisiteran’ny Fizahantany sy ny asa tanana, ireo mpino kristianina 600 mahery avy ao amin’ny FJKM Zoara […]
Auteur/autrice : Adnews
TARATRY ny KANTO
Homarihina ny faha-80 taonan’i Nalisoa Ravalitera. Ny alarobia 14 janoary izao, hisy ny velakevitra manokana hotontosain’ny Faribolana Sandratra, izay izy no anisan’ny nanangana izany. «Nalisoa Ravalitera: Tendrombohitra tsy ho saron-javona» ny lohahevitra hovelabelarin’i Mahefa voalohany. «Nalisoa Ravalitera sy Benaina: loharano roa samihafa mihaona» kosa no hoentin’i Mahefa AI, mpianatra mpikaroka […]
« Jazz fiderana »: Hanokafan’ny Jazz Club CGM/GZ ny hetsika 2026
Hanokatra amin’ny fomba ofisialy ireo hetsika hotontosainy mandritra ity taona 2026 ity ny Jazz Club CGM/GZ. Hisy, noho izany, ilay fampisehoana lehibe «Jazz fiderana» hotanterahina eny amin’ny fiangonana FJKM Mahazoarivo, ny alahady 15 marsa izao, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro. Lohahevi-dehibe hanankinana ny « Jazz fiderana » ny « Aoka izay rehetra manam-pofonaina […]
« Tena kanto 2 »: Lehilahy avokoa no hampiara-peo amin’i Poopy
Hiavaka noho ny tamin’ny taon-dasa ny andiany faharoa. Tovolahy daholo no nasain’i Poopy hanampy azy eny an-tsehatra amin’ity. D-Lain, Tanjona Randrianarivelo ary i Ken. Ireo izy telo mirahalahy nosafidian’i Poopy, hampiara-peo an-tsehatra aminy, mandritra ny «Tena Kanto 2 ». Fampisehoana hotontosaina ny 1 marsa ho avy izao izy ity, ao amin’ny Lapan’ […]
VAOVAO TAMBATRA
Hisitraka mivantana ireo tombontsoa azo avy amin’ny fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’i Korea Atsimo ireo tanora malagasy hatrany amin’ny 15 000. Fifanarahana entina hanamora ny fandraisana sy fampiofanana, fianarana teny koreanina ary ny fisitrahana asa maro any an-toerana. Voakasik’izany ny Ingénierie de la construction, ny Paramédical, ny jono, ny fitrandrahana ala, ny […]




