Valanjavaboahary Mantadia : Ampirisihina ny Malagasy hisitraka ny hakantony

Lalana mirefy 17 km miditra any amin’ny valanjavaboaharin’i Mantadia, ao Andasibe, no nasiam-panamboarana, ny faran’ny herinandro teo. Hitombo ny Malagasy mpizahatany hihanoka ny harena voajanahary.

Nifarimbona nanamboatra ny lalana 17 km mankany Mantadia ny minisiteran’ny Fizahantany sy ny asa tanana, ireo mpino kristianina 600 mahery avy ao amin’ny FJKM Zoara Fanan­tenana Ambohipo ary ireo mpianatry ny Fakiolten’ny siansa eny amin’ny Oniver­siten’Antananarivo.
Tanjona ny handrisika antsika Malagasy hihanoka ny hasarobidin’ny valanjavaboahary any an-toerana. Ny fahavitan’io ampahan-dalana io dia heverina fa hampiakatra ny isan’ny mpizahatany hitsidika ny toerana. Satria, hihena ny fandaniana izay tsy voatery hanofa fiara tsy mataho-dalana intsony rehefa handeha hitsidika an’i Mantadia.
“Mantadia no nametrahana fanamby hanombohana ny asa fanamboaran-dalana hahafahana miditra milamina any anaty valanjavaboahary”, hoy ny minisitra Rafaralahy Lily.
Valanjavaboahary akaiky indrindra an’Antananarivo ary anisan’ny fohy indrindra ny lalana miditra ao kanefa ratsiratsy ka izao nasiana fanamboarana izao. Manomboka eto dia ho mora ho an’ny rehetra ny hiditra any.
Entina hanaporofoana fa tsy voatery mandany volabe fa tena miaina amin’ny herin’ny tena sy ny firaisankinan’ny fiarahamonina dia mahavita zavatra goavana ity asa nifarimbonana nanamboatra lalana ity. Teo ny tetikasan’ny fiangonana Fanante-lalana, mitory filazantsara amin’ny alalan’ny fanamboaran-dalana ka nentina ny traikefa ary nampiharina.

Nitombo ireo mpizahatany
Nanazava ny talen’ny Madagascar National Parc fa niakatra ny isan’ny Malagasy mpizahatany tao anatin’ny 3 taona farany. “30% amin’izany izao dia efa Malagasy avokoa. 2 000Ar ny saran’ny fitsidihana ny valanjavaboahary ho an’ny teratany malagasy. Efa tena natao mora izany hahafahantsika mihanoka ny harenantsika”, hoy izy.

Tatiana A

Partager sur: