Hivoatra amin’ny sehatra hafa amin’ny fanamoriana fiarakodia Razanakoto Iaro. Raha ny vaovao hita tao anaty tambajotran-tserasera, afakomaly, hiditra amin’ny Taranja Formule 1 (F1) ny tenany, ka ny niara Jaguar R1 no hoentin’ity Malagasy fanta-daza amin’ny tontolon’ny fiarakodia ity. Nahazo fanasana hanao andrana hifaninana amin’ity F1 ity, any Dubaï, ny tenany, […]
Auteur/autrice : Adnews
Judo-Grand Slam de Paris : Judokas malagasy 5 hifaninana
Hotanterahina ny 7 sy 8 febroary izao, any Accor Arena, ao Paris, ny fifaninanana “Grand Slam de Paris”, taranja Judo. Tsy diso anjara amin’izany i Madagasikara. 7 mianadahy no hisolo tena ny Malagasy hiaro ny voninahi-pirenena amin’izany, ahitana an-dRasoanaivo Razafy Aina Laura, Andriambololona Zo Hajanirina, izay avy eto an-toerana. Hanampy […]
Fifidianana ho filoha – FMA : Ligy telo tsy nahazo taratasy fahazoana mifidy
Mitranga sahady ny olana, mialoha ny fifidianana izay ho filoha hitantana ny Federasionina malagasin’ny atletisma (FMA). Misy ireo filohana ligim-paritra tsy mbola nahazo taratasy fiantsoana handatsa-bato. Manoloana izany, manangam-peo ireo avy amin’ny seksionina Antananarivo Renivohitra sy Ambohidratrimo mitaky ny hahazoan’ny filohan’ny ligin’Analamanga, handatsa-bato satria voafidy ara-dalàna. Telo andro mialoha ny […]
VAOVAO TAMBATRA
Vita ny tetezana Andriambavirano, amin’ny lalam-pirenena faha-4, PK 502. Mahazaka lanja 44 taonina ity tetezana ity, araka ny fenitra eto amintsika sy toy ny amin’ny lalam-pirenena rehetra. Natao ny 4 febroary teo ny andrana teknika, manome antoka ny filaminana sy ny fahamarinan-toeran’ny fifamoivoizana ho an’ny mpampiasa lalana rehetra. Hentitra ny […]
Ravinala Airports: Nafindra ny tanànan’i Pont Valiha
Tafiditra tao anatin’ny faritry ny seranam-piaramanidina, any Fascène, Nosy Be, ny tanànan’i Pont Valiha. Voatery tsy maintsy nafindra toerana ity tanàna ity, araka ny fifanarahana famindram-pitantanana teo amin’ny fanjakana malagasy sy ny orinasa Ravinala Airports, araka ny fenitry ny Orinasa ara-bola iraisam-pirenena (SFI). Nanomboka tamin’ny taona 2020 ny famindrana ireo […]




