Tafiditra tao anatin’ny faritry ny seranam-piaramanidina, any Fascène, Nosy Be, ny tanànan’i Pont Valiha. Voatery tsy maintsy nafindra toerana ity tanàna ity, araka ny fifanarahana famindram-pitantanana teo amin’ny fanjakana malagasy sy ny orinasa Ravinala Airports, araka ny fenitry ny Orinasa ara-bola iraisam-pirenena (SFI). Nanomboka tamin’ny taona 2020 ny famindrana ireo trano, niaraha-niasa tamin’ny kaominina Nosy Be. Natao ny 23 janoary 2026 teo ny lanonana ofisialy nampahafantarana ny fahavitan’ny asa manontolo.
Lasa trano manara-penitra iraisam-pirenena no honenan’ ireo mponina. Napetraka tamin’ny fizaran-tany miisa 64 izy ireo, miaraka amin’ny taratasin-tany ara-dalàna (titre), na dia tsy nanana izany aza izy ireo tany amin’ny toerana nisy azy ireo teo aloha. Mitovy na mihoatra amin’ny velaran-tany nitoerana teo aloha ny tany namindrana azy ireo, miampy fanonerana ara-bola, arakaraka ny fianakaviana tsirairay. Miisa 53 ny trano naorina, miampy trano 2 vaovao ho an’ny fianakaviana nanana tany fa tsy nisy trano nonenana.
Nametrahana paompin-drano fisotro 3, fanasan-damba 1, trano fandroana 2 ary trano fivoahana 4 ihany koa ny toerana. Vatsian’ny Jirama herinaratra. Jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro manazava tanàna 5, misy koa fefy ary lalankely anatin’ny tanàna. Mitotaly 31 ny tokantrano notohanana hanarenany ny velon-tenany. Misy koa ny fanampiana ara-tsakafo nandritra ny 5 taona.
Njaka A.




