Auteur/autrice : Adnews

Oniversiten’i Toamasina : 64% ny fahavitan’ny asa

Tonga nitsidika ny Campus oniversiten’i Barikadimy sy ireo fotodrafitrasa mahakasika azy io ny delegasionin’ny Banky iraisam-pirenena, ny volana septambra teo. Nitarika ny delegasionina ny talen’ny diviziona misahana an’i Mozam­bika, Madagasikara, Maorisy, Kaomoro ary Seychelle, i Fily Sissouko. Niaraka taminy tamin’izany ny filohan’ny oni­versiten’­i Toamasina, ny dokotera Razanakolona Diny, ho an’ […]

Hanovana ny zava-misy : Mila tohanana ny fisitrahan’ny zatovovavy ny zony

Nosafidiana manokana ny lohahevitra « Atsahatra ny fampanambadiana ny ankizy fa andao hanohana ny zon’ny zatovovavy” nandritra ny fanamarihana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny zatovovavy, ny faran’ny herinandro teo. Anisan’ny endrika iray mahazo vahana iseho­an’ny tsy fanajana ny zon’ny ankizivavy ny fampanambadiana azy satria manohintohina ny fanabeazana sy ny fahasalamany ary […]

VAOVAO TAMBATRA

Mamokatra 3,1MW amin’izao ny milina mpihary herinaratra « GE 572 » ao Toamasina rehefa tsy niasa an-taonany maro. Tanjona ny hampakatra izany ho 3,5MW hanohanana ny famokarana ao an-toerana. Ankehitriny, ao anatin’ny andrana sy fanaraha-maso akaiky ny milina ny Jirama mba hahazoana vokatra azo antoka. Miara-misalahy amin’ny minisiteran’ny Angovo sy ny akoranafo […]

Lohamenaka – 2040 : Hanondrana vokatra 1 miliara dolara

Tafiditra ho anisan’ireo seha-pihariana 10 voalohany mampidi-bola vahiny betsaka eto Madagasikara ny lohamenaka. Mampiasa olona manodidina ny 500 000 isa izy ary manana anjara toerana lehibe amin’ny tontolo iainana. Vina apetraky ny Vondron’ny mpanondrana lohamenaka eto Madagasikara (Gehem) ny hampakatra hatrany amin’ny 1 miliara dolara isan-taona ny sandan’ny fanondranana ho an’ny […]

Jovena sy Spat : Hampiditra 2 tapitrisa dolara

Vita omaly, tetsy Andraharo, ny fifanaovan-tsonia eo amin’ ny orinasa Jovena sy ny orinasa mahaleo tena mitantana ny seranan-tsambon’i Toamasina (Spat). Fiaraha-miasa haharitra 25 taona io. Raha ny fanazavana nataon-dRandriam­bahoaka Heritiana Anicet, tale jeneralin’ny Spat, hampiditra vola mitentina 2 tapitrisa dolara na 8 miliara Ariary mahery, isan-taona, ho an’ny fanjakana […]