Oniversiten’i Toamasina : 64% ny fahavitan’ny asa

Tonga nitsidika ny Campus oniversiten’i Barikadimy sy ireo fotodrafitrasa mahakasika azy io ny delegasionin’ny Banky iraisam-pirenena, ny volana septambra teo. Nitarika ny delegasionina ny talen’ny diviziona misahana an’i Mozam­bika, Madagasikara, Maorisy, Kaomoro ary Seychelle, i Fily Sissouko. Niaraka taminy tamin’izany ny filohan’ny oni­versiten’­i Toamasina, ny dokotera Razanakolona Diny, ho an’ ny delegasionin’ny olom-panjakana tao Toamasina sy ny solontena avy amin’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa.
Miisa 123 ny fotodrafitrasa ravan’ny rivodoza Gezani. Efa vita avokoa ny 79 raha mbola anatin’ny fanohizana sy famaranana ny 44. Ankoatra izany, nasiam-panamboarana ny lalana ifamezivezena anatin’ny Campus, natao “béton” sy “pave”. Raha refesina ny zava-bita rehetra hatramin’izao, 64% ny fahavitan’ny fanarenana. Nanambara ny solontenan’ny Banky iraisam- pirenena fa tsy hijanona eo ny asa. Hitohy amin’ny fanohanana ny fampianarana sy fampiofanana mba hifanaraka amin’ny filan’ny faritra ka tsy hanahirana amin’ny fitadiavana asa. Tanjona ny hahatonga ny oniversiten’i Toamasina maoderina sy maha te honina.

Sajo

Partager sur: